Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
14 aprily 2024 — Alahady Fahatelo Fankalazana ny Paka — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
♦ Novonoin'ireo mpaka an-keriny omaly hariva ireo takalon'aina roa vavy tany amin'ny kaominina Androvakely distrikan'Anjazorobe... ♦ Infirmiers sandoka miisa 45 no traha-tehaky ny holafitry ny infirmiers tao anatin'ny 4 volana niasany... ♦ Manahy ny hisian'ny didy jadona eto amin'ny firenena ny antoko PRM... ♦ Naneho ny alahelony noho ny fisian'ny ady eo amin'i Israely sy ny Hamas ny Papa François, tamin'ny hafatra nataony omaly zoma tamin'ny famaranana ny Ramadany... ♦ Nanomboka androany sabotsy ny dinika eo amin'ny samy Maliana izay nampanantenain'ny fitondrana tetezamita any an-toerana. Nilaza ny antoko pôlitika sy ny fiaraha-monim-pirenena Maliana fa tsy handray anjara amin'ity dinika ity...
♦Tsy voahilika ireo solombavambahoaka IRD teo aloha izay tsy natao kandidà intsony, fa tsy maintsy nisy ny fandaminana mba hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakàna hoy ny vovonana IFI... ♦ Lasa fandangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampihato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo ny Pretra sy ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco