09 aprily — Teraka tao Picardie tao France ny taona 1030 i Gautier. Mbola zaza izy dia efa nizotra tamin'ny lalam-pahamasinana sy ny lalam-pahalavorariana. Efa niezaka nanao ny fiain'ny mpitoka-monina izy tany amin'ny toerana nitaizana azy.
Ny famonjena hoy isika dia "firaisana aina" amin'Andriamanitra sy "firaisana hina amin'olombelona rehetra. Ny Fanahy Masina no manamasina lalandava ny Eglizy ary mitondra ny mpino hanatona ny Ray, amin'ny alalan'i Kristy. Ny endriky ny fitantanan'ny Fanahy Masina dia mampiombona, mampivondrona, mampiray aina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
9 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
• Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra no mety hidinan'ilay tataon-ketra 47 % takian'ny fitondrana Amerikana, hoy ny Depiote Imbiky Herilaza... • Mahatratra 14 tapitrisa Dolara ny vola very momba ny jono tsy manara-dalana ho antsika eto Madagasikara... • Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetikasa notohanany, ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco