♦ Hisokatra anio eny amin'ny HCC Ambohidahy ary haharitra 15 andro ny fametrahana ny antontataratasy ho an'ireo maniry ny ho kandinà filoham-pirenena...  ♦ Velontaraina tamin'ny herisetra ara-nofo nataon'ny lehilahy iray 30 taona tamin'ireo ankizivavikely 8 sy 6 ary 4 taona teny Ambolokandrina, ny ray aman-drenin'izy ireo.... ♦ Mbola vonona ny handresy kosa ny Elgeco Plus amin'ny lalao miverina hifanandrinany amin'ny Gaborone United, izay hatao eny Mahamasina amin'ny alahady izao... ♦ Mangataka ny hanafahan'ireo miaramila nandrombaka fahefana any Niger an'i Mohamed Bazoum, ny zanany vavy...

Tsy tokony aompana amin'ny ara-toekarena fotsiny ny asa fa hitsinjovana ny mpiara-belona sy fanompoana an'Andriamanitra. Ny toetra ny ray ao anatin'ilay fanoharana mikasika ny zaza mpandany dia izy manova toe-po sy toe-tsaina porofo ny nampiankajoana ilay zaza mpandany, ny nampisakafoany sy nampiantranoiny azy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

23 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

♦ Mipetrapetraka ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11, hotanterahana eto Madagasikara. Mpitandro ny filaminana 4000 isa no hahetsiky ny EMMOFAR, hisahana izany... ♦ Nampahafantarina teny Anosy ny votoatin'ny paikadim-pirenena momba ny haitao ara-kajy mirindra ho an'ny famokarana ara-pambolena eto Madagasikara... ♦ Notanterahana teny amin'ny Motel Anosy, ny atrik'asa nampahafantarana ny pôlitikam-pirenena momba ny kalitao. Nisongadina nandritra izany fa manana ny lalàna momba ny kalitao, isika Malagasy, saingy tsy voahaja...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...