♦ Hatao ny ezaka rehetra, hahafantarana ny tena trosan'ny JIRAMA, hafahana mamaritra ny paikady hamafana izany, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo... ♦ Tokony mahazo sakafo ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra ny mpanjifa. Anton'ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa, natao omaly, nifanovan'ny FAO sy ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Hiroso amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena isika amin'ity taona ity : manantena ny CNFM fa hiakatra ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'izany, noho ny ezaka fanentanana ataon'izy ireo...
♦ Hanampy amin'ny fanarenana ny fiangonana rehetra simba tamin'ny rivodoza ny fitondram-panjakana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, tamin'ny solontenan'ny FFKM tany Nosy Varika, omaly... ♦ "Cliniques mobiles" efatra no natolotry ny PNUD, hitsaboana ny mponina any amin'ny faritra atsimo... ♦ Sakana ara-kolontsaina sy tsy fahatokisana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy, no tena mbola mahavitsy ny vehivavy misehatra eo amin'ny raharaham-panjakana sy amin'ny toerana fandraisana fanapahan-kevitra, eto amin'ny firenena...
Hoy ny Papa Léon XIII : ny fiaraha-monina rehetra dia mila mpitondra hifehy azy ; ilaina io mba hampiombona. Anjara andraikitry ny mpitondra no mikatsaka ny soa iombonana, mizara izay sahazan'ny tsirairay avy, ary manampy ny tsirairay hitombo sy hivelatra. Ny toetran'Andriamanitra, ilay tsy manavaka fa mitsinjo izay ilain'ny rehetra no tsy maintsy ho toetran'ny mpitondra. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alarobia 1 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco