♦ Miditra amin'ny andro fahefatra anio, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly tanterahana any Addis-Abeba. Handravina ireo hevitra voaangona ny mpandray anjara, handrafetana ny tahirin-kevitra hatolotra ny Vatican, hodinihin'ny Eevaka amin'ny volana ôktôbra 2023... ♦ Voavaha ny olan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, tao aorian'ny fitokonana lavareny noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ireo karazam-biby sy zava-maniry dia, manao ezaka hiarovana ny sokatra any amin'ny faritra ipetrahany, ny tompon'andraikitra samihafa...
Tsy misy fiaraha-monina ara-drariny mety ho tanteraka, raha tsy voahaja ny hasina maha-olona. Ny lamina sy ny fandrosoana eo amin'ny fiaraha-monina dia tokony hitondra soa ho an'ny olona mandrankariva, satria ny filaminan'ny zavatra dia fehezin'ny filaminan'ny olona. Tsy maintsy tsinjovina ny fiainan'ny olona sy izay ilainy hivelomany amim-pahamendrehana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Sabotsy 4 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
♦ Mihamanatona ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana indray, ilay rivodoza Freddy. Hitohy hahazo rotsak'orana betsaka ny tapany andrefana sy ny atsimon'ny nosy, hatramin'ny alatsinainy... ♦ Vehivavy 80000 no hanatrika ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny 8 marsa eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, amin'ny alarobia izao. Hetsika eo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voavaha ny olan'ireo mpiasan'ny lalamby FCE, rehefa nanao fitokonana lavareny, noho ny tsy fandraisana karama. Nahita vahaolana niaraka tamin'ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana, izy ireo...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco