♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika fanaovana kôpia hisitrahana kara-panondrom-pirenena faobe ny sendikàan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna. Nanao fanambaràna nilaza izany izy ireo, omaly... ♦ Hovatsian'ny Banky afrikàna momba ny fampandrosoana vola 1,4 tapitrisa dôlara ireo orinasa madinika sy salan-tsalany eto Madagasikara. Orinasa 300 isa no hisitraka izany anatin'ny tetik'asa SME-BLP... ♦ Hiara-hiasa amin'ireo orinasa manana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ka mihoatra amin'ny ilainy ny Jirama manomboka izao. Hovidian'ity orinasam-panjakàna ity izany, anatin'ny fampiharana ny tarif "optima Busness"...
17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.
Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny "lahy no lohan'ny vavy" ; tahaka an'i Kristy lohan'ny Eglizy. Izany no midika fa i Kristy no mitarika sy mitondra ny Eglizy amin'ny lalam-pahendrena sy fahamasinana lavorary, ary novelominy tamin'ny alalan'ny Sakramenta fito izay natsangany. Toy izany koa ny anjara toeran'ny lahilahy raim-pinakaviana ao an-tokantrano : Mitarika, mitondra, mamelona. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Sabotsy 17 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco