♦ Miantoka ny fiahiana ny zon'ireo olona an-tapitrisany eto amintsika ny fanaovana kara-panondrom-pirenena sy ny kopia nahaterahana faobe amin'ny alalan'ny fitsaràna mitety vohitra. Miantso ireo mpitsara hanatanteraka izany ny ministry ny fitsaràna fa tsy misy ambadika politika ny hetsika hatao... ♦ Manameloka ny sazy nampiharina tamin'ny namany tsy nanao hadisoana kanefa nesorina tamin'ny toerany ny sendikan'ny administrateur-civil eto Madagasikara. Isan'izany ny raharaha nitranga tany Ikongo... ♦ Isan'ny tsy maha-maritoerana ny sandan'ny ariary miohatra amin'ny vola vahiny ny fihazonan'ny tompony ny vola vahiny any amin'ny banky. Manodidina ny 494 tapitrisa Dôlara ny fitambarany...
15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.
Ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ombieny ombieny no tsara indrindra atao amin'ny zanaka lahy, fa tsy dia fananarana ara-moraly diso tafahoatra na fandidiana tsotra izao tsy hivoaka ny trano, na fandraràna tsy hiaraka amin'ny zanaky ny manodidina. Mila mitandrina tsara tsara ny ray aman-dreny fa famolavolana tovolahy ho raim-pianakaviana no atao. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alakamisy 15 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco