Talata 13 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Madavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 11-17
♦ Nanambara Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo fa efa tsy ao anatin'ny vovonana IRD manohana ny fitondrana, ny antoko MMM tarihiny. Handray anjara sy hanana kandida amin'ny fifidianana ho avy izy ireo... ♦ Manatevim-pahalalana amin'ireo didy aman-dalana momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny 1 oktobra izao, ireo tompon'andraikitry ny CENI any amin'ny faritra 23 manerana ny nosy... ♦ Manome 72 ora ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, hitady vahaolana amin'ny fitakian'izy ireo ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity minisitera ity...
♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...
♦ Olona 5 isa voalaza fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny RN7 ny maraina teo. Nanjakan'ny lozam-pifamoivoizana ihany koa iny faran'ny herinandro lasa teo iny teo amintsika. Ny fifamoivoizana an'habakabaka ihany no tsy nahitana izany... ♦ Efa mandeha ny fanadihadiana manokana ara-tsiantifika ataon'ny eo anivon'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga, ny amin'ny antony mahatonga ireo trozona hita faty aty amin'ny morontsirak'i Madagasikara, izay efa nihoatra ny 10 tamin'ity taona ity... ♦ Tanora malagasy maro no ampian'ny fitondram-panjakàna ankehitriny, amin'ny fampananana asa sy fandraharahana samihafa. Fandaharan'asa tanterahin'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco