Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika olombelona ka tsy tokony ho viraviraina amin'ny filàn-dratsin'ny nofo. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina : "izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona". Tsy nitsahatra nampivoitra sy nanome lanja ny hasina maha-olona mizotra mankany amin'ny fahamasinana maha-kristiana i Md Paoly. Ny fiombonan'ny Ray sy ny zanaka ao amin'ny Fanahy Masina no endriky ny fianakaviana. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Sabotsy 10 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49
♦ Adiny roa sy sasany dia vita ny lalana mampitohy an'Ambilobe sy Vohémar, raha andro maromaro no nanaovana izany hatramin'izay. Nitokana izany androany, ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Nizara ny zava-bita ary nanolotra ny paikady sy ny sehatr'asa hatao amin'ny taona ho avy, ho an'ireo mpiara-miombona antoka eny ifotony, ny teo anivon'ny tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy, any amin'ny ilany atsinanan'i Madagasikara... ♦ Niverina ireo mpilatsaka antsitrapo avy amin'ny Peace Corps, roa taona aty aorian'ny valanaretina Covid-19...
♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco