25 aogositra — Teraka ny taona 1215 i Louis, natao batemy tao Poissy izy ary tsy maty tao am-pony izany finoana izany ka nahatonga azy hitonona hoe Louis de Poissy rehefa manao sonia na dia amin’ny fiainany andavanandro aza.
Ny hevitry ny teny hoe " famolavolana" dia tsy mbola midika fa efa voaantso amin'ny fandraharahana ny olona iray voakasik'izany, saingy ireo singa rehetra afaka manampy azy ho amin'izany no hita ao amin'io "famolavolana" io. Sehatra telo no hisian'ny famolavolana dia : Ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alakamisy 25 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 42-51
♦ Manamafy hatrany ireo toromarika tsy maintsy arahan'ireo fiara hanatanteraka fitaterana manokana, hitondra ireo mpizaika amin'ny JMJ Mada X izay hatao any Antsirabe, ireo tompon'andraikitra... ♦ Nadikan'ny antoko Otrikafo ho fanangan-tsaina fotsy sahady ny fanazavana nomen'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, momba ny tohin'ny fitakiana ireo Nosy malagasy bodoin'i Lafrantsa... ♦ Androany maraina tamin'ny 7 ora sy sasany, vao maty ny afo tao amin'ny Faritra Arovana Kalobinoro, Distrikan'Ambilobe, Faritra Diana, izay nirehitra alina. Tombanana ho 20 Ha ny faritra ravan'ny afo...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco