Alarobia 28 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 57-62
♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce apostolique eto Madagasikara androany 27 septambra 2022, i Mgr Tomasz Grysa. Tsy niandry ela fa niarahaba azy noho izao fanendrena azy izao ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Miisa 2300000 ireo Malagasy voatily fa voan'ny tazomoka, ny taona 2021, ka ny 547 amin'izany no namoy ny ainy. Nitombo avo roa heny tamin'ny antontan'isa nivoaka ny taona 2019 ny tarehimarika... ♦ Mbola nomontsanin'ny Barea Zandriny tamin'ny isa 7 no 1 indray ny ekipam-pirenena avy atsy Seychelles ny folakandro teo...
Nandefa taratasy fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vao voatendry hiasa eto Madagasikara ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Nambarany fa vonona amin'ny fiaraha-miasa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
♦ Noho ny fitsitsiana ataon'ny JIRAMA no mahatonga ny delestazy tato ho ato, hoy ny filohan'ny filan-kevi-pitantanan'ity orinasam-panjakàna ity. Hihena tsikelikely anefa izany manomboka amin'ny faran'ny volana oktobra, noho ny fitomboan'ny famokarana herinaratra any Andekaleka... ♦ Olona hatrany amin'ny 500.000 teto Antananarivo, tany Mahajanga sy Toliara no nisitraka rano fisotro madio tao anatin'ny 5 taona noho ny tetik'asa WADA. Sekoly sy tokan-tranon'olon-tsotra maro no nanangànana foto-drafitr'asa... ♦ Mitaraina ny mpitarika fikambanana VMMF fa enjehina, noho ilay fanambaràna fitakiana vahaolana noho ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fandriam-pahalemana any Menabe. Efa nivaly amin'ny ampahany ny fitakiana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco