29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.

Mifameno mandrakariva ny fanabeazana omena ao an-tokantrano sy ny omen'ny namana eny anivon'ny fiaraha-monina. Anjaran'ny ray aman-dreny niteraka no manampy ny zanany hahafehy tsara ireo sy manampy azy hahay hanavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy. Raha tsy izany dia handringa ny fiainan'ilay zanaka ka na haditra izy na hikombona tsy afaka hivelatra. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Alakamisy 29 septambra 2022 — Masina Michel, Gabriel, Raphaël, Arakanjely — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 47-51

♦ Tsy mbola misy voakitikitiky ny afo ireo angonoka izay arovana ao anatin'ny faritra arovana Baie de Baly, hoy ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy androany. Vaovao diso ireo mivoaka amin'ny Facebook, milaza fa maro ny biby arovana may any an-toerana... ♦ Tsy maintsy narafitra amin'ny béton ireo Tranovola sy ny Lapan'i Manampisoa ao amin'ny Rovan'Antananarivo, ho fisorohana ny loza mitatao amin'ny vakoka, hoy ny Ofisy misahana ny fanarenana androany... ♦ Tsy eken'ny SYNAD ny fakan-kevitra amin'ny olom-boafidy mialoha ny fanendrena na famindran-toerana ireo mpiasam-panjakana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...