Ny hevitry ny teny hoe " famolavolana" dia tsy mbola midika fa efa voaantso amin'ny fandraharahana ny olona iray voakasik'izany, saingy ireo singa rehetra afaka manampy azy ho amin'izany no hita ao amin'io "famolavolana" io. Sehatra telo no hisian'ny famolavolana dia : Ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alakamisy 25 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 42-51
♦ Manamafy hatrany ireo toromarika tsy maintsy arahan'ireo fiara hanatanteraka fitaterana manokana, hitondra ireo mpizaika amin'ny JMJ Mada X izay hatao any Antsirabe, ireo tompon'andraikitra... ♦ Nadikan'ny antoko Otrikafo ho fanangan-tsaina fotsy sahady ny fanazavana nomen'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, momba ny tohin'ny fitakiana ireo Nosy malagasy bodoin'i Lafrantsa... ♦ Androany maraina tamin'ny 7 ora sy sasany, vao maty ny afo tao amin'ny Faritra Arovana Kalobinoro, Distrikan'Ambilobe, Faritra Diana, izay nirehitra alina. Tombanana ho 20 Ha ny faritra ravan'ny afo...
♦ Amin'ny volana septambra izao no tokony hiverina ny fifandresen-dahatra eo amin'ny Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina na ireo îles éparses... ♦ Mitohy ny fitakiansika ny hampodiana ilay volamena 73 kg tratra tao Afrika-Atsimo. Mbola misy ny fandaminana ara-politika sy ara-pitsarana... ♦ Hivoaka amin'ny volana oktobra izao ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny banky iraisam-pirenena, mikasika ny fiatrehan'i Madagasikara ireo loza sy ny tandindon-doza, ka ho ampahafantariny amin'ny tapaky ny volana novambra ny vola hanampiany an'i Madagasikara izany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco