♦ Hatsaraina, hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alaln'ny tetikasa Prodigi, ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena eto amintsika... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana mahefa mba hanampy azy ireo, ireo tra-boina vokatry ny firehetan'ny trano tao amin'ny Fokontany Analanjavidy, any amin'ny Distrikan'i Mananjary... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika, Distrikan'Amparafaravola androany maraina, ny jiolahy mitam-piadiana, mpaka an-keriny, miisa fito notarihan-dRakipikipy...
♦ Hanomboka anio atsy Afrika-Atsimo ny fivorian'ireo Parlemantera panafrikàna. Parlemantera malagasy miisa efa no nandeha niatrika izany, hidinika ny fahafaha-miatrika ara-tsakafo aty Afrika... ♦ Hisy ny fanavaozana fahazoan-dalana mitrandraka ho an'ireo efa nanana izany. Fepetra noraisin'ny fanjakàna izany, mba afahan'izy ireo miasa aloha, mandram-pivoakan'ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany... ♦ Tsy tokony mbola hovahàna ny fahafaha-manondrana harena ankibon'ny tany any ivelany, hoy ny Alliance-Voahary-Gasy. Nambaran'ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity fa mbola manjavozavo miteraka kolikoly ny zava-misy amin'izao...
♦ Tanora maherin'ny 30.000 isa no hanatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 hatao any Antsirabe. Efa milamina ny fanomanana rehetra na ny fampiantranoana na ny fitaterana na ny fitandroana ny filaminana, hoy ny teo anivon'ny VPKT, omaly... ♦ Ezahina ho vita tsy ho ela intsony ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany. Anatin'ny fakàn-kevitra isak'ireo sokajina mpiantsehatra ety Ivato ny Ministera nanomboka ny tapak'ity volana ity... ♦ Noravàn'ny mpianatry ny Anjerimanontolo ao Maninday-Toliara omaly ny fifaninanam-pirenena ho an'ny fanatanjahan-tenan'ny mpiasam-panjakàna. Mitokona indray izy ireo, noho ny fitakiana vatsim-pianarana...
23 aogositra — Tera-tany espagnol i Rose, teraka ny taona 1586 tao Lima. Isabel Flores de Oliva no anarany, meva toy ny raozy izy ka izany no anaram-bositra nomen’ilay mpitaiza azy azy.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco