Antso ho amin'ny fahamasinana no antso tokana iantson'Andriamanitra ny olona rehetra, koa na iza na iza, dia nantsoina ho masina. Anjaran'ny tsirairay ny manamasina ny tenany ao amin'ny fiangonana amin'ny alalan'ny vavaka, ny fahaizany mitia an'Andriamanitra sy ny namany. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Talata 23 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 23-26
♦ Nitondra ireo toromarika tsara ho fantatra sy tokony arahan'ireo mpizaika amin'ny JMJ andiany faha-10 hatao any Antsirabe, ireo tompon'andraikitra androany... ♦ Tra-tehaky ny polisy eo anivon'ny Kaomisarian'ny Boriboritany faha-7 eny amin'ny 67 Ha, ny iray tamin'ireo dimy lahy nanendaka sy nandratra ilay mpiasan'ny haino aman-jery, izay namonjy fodiana avy niasa, ny 3 aogositra lasa teo... ♦ Manampy ny fitondram-panjakana amin'ny fametrahana sy ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena koa ny fitsarana miaramila. Nanomboka androany izany ho an'ny Faritra ivelan'Analamanga...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco