Eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia tandra vadi-koditra ny fisendrana olana izay miseho amin'ny endriny maro samihafa. Azo avadika ho fiombonam-piainan'ny fianakaviana anefa izany rehefa hiarahana mitady ny vahaolana, indrindra ao anatin'ny fianakaviana ka hamelona fanantenana ho an'izany fianakaviana izany. Indrindra raha apetraka hialoha lalana eo ampamahana ny olana Andriamanitra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Anisan'ny aretina iray mahazo ny vehivavy ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Amin'izao volana oktobra izao no hiresasahana mikasika izany, izay manazava sy manentana ny rehetra mikasika ny fisorohana ny aretina, izany hoe tsy firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, fanaovana fitiliana, ary fanaovana vaksiny misoroka ny HPV, viriosy mitarika io homamiadana io. Ampahatsiahivina fa ny 18 oktobra no hanamarihana voalohany ny Andro Nasionaly ho an’ny Mpiantsehatra ara-pahasalamana Katolika, eo ambany fiarovan'ny Md Lioka, amin'ny lohahevitra hoe" Mpisehatra ara-pahasalamana: anjelin'ny fanantenana"... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny Evanjely dia avy amin'ny Apôstôly ary ny votoatiny dia ny toritenin'ny Apôstôly. Ny fiangonana dia nitana ary mitana fa ny fiavian'ny vaovao mahafaly efatra dia ny Apôstôly. Ireo zavatra notorian'ny Apôstôly araka ny baikon'i Kristy, nampitain'ireo Apôstôly sy  ireo lehilahy niara-belona taminy avy eo, noho ny fitsofan'ny Fanahin'Andriamanitra no fototra iorenan'ny finoan'ny kristiana... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...