♦ Hotanterahina mivantana ihany, tsy ampiasàna "visio-conférence" ny fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra anaty governemanta... ♦ Fanazavàna nentin'ny mpitsabo, manoloana ny ahiahin'ny Malagasy sasany amin'ny voka-dratsy ateraky ny fanaovam-baksiny fanefitry ny coronavirus... ♦ Tsy nihetsika ireo sehatra fampiroboroboana ny toe-karena eto Madagasikara ta anatin'ny telo volana voalohan'ity taona ity... 

♦ Nanomboka omaly ny hetsika fanaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19 eto Madagasikara. Afaka misitraka izany avokoa ireo olona marefo sy ny zokiolona misoratra anarana... ♦ Nitombo fito indray ireo marary lavon'ny Coronavirus eto amintsika, mbola nisy 150 ihany koa ireo tranga vaovao hita, raha ny tarehimarika farany navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalam-bahoaka omaly...

Talata 11 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5-11

♦ Natomboka androany ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Coronavirus eto Madagasikara. Natao vakisiny Covidshield voalohany teny amin'ny HJRA ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Nitombo fito indray ireo marary lavon'ny Covid-19, dimampolo amby zato kosa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo natao fitiliana, raha ny tarehimarika navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...