Ny fanaovana vaksiny hy reny sy ny zaza dia tetik'asan'ny Fanjakàna foibe. Ny hetsika rehetra natao sy hatao ao anatin'ny volana oktobra dia entina hiadiana sy hisorohana aretina maro. Ny volana oktobra dia volana natokana hiadiana sy hisorohana ny homamiadan'ny nono. Ny homamiadan'ny nono dia mety hahazo ny sokajin'olona rehetra, lahy vavy ; any Erôpa dia 1 amin'ny vehivavy miisa 8 no tratran'io homamiadana io... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Miha tanora ireo mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA aty amin'ny fari-dranomasimbe indiana, ho antsika eto Madagasikara manodidina ny 15.000 ireo mitondra ny tsimok'aretina tsy vita fitiliana mirihariha eny anivon'ny fiaraha-monina... ♦ 90% amin'ny Malagasy no mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay hahandroana sakafo, nivondrona anaty fikambanana iray ireo orinasa misehatra amin'ny fampiasana angovo madio... ♦ Olona 24 mianadahy tra-tehaky ny zandary tamin'ny raharaha fanapohana solika tany Toamasina, natolotra ny fampanoavana teny Anosy omaly izy ireo... ♦ Tsy nahomby ny politika fanokana-monina an'i Russie nataon'ny firenena tandrefana hoy ny filoha Rosiana...

Tsapa miharihary eo amin'ny fiainana kristiana fa arakaraky ny fanekentsika ny fahasoavana no hitombon'ny fahavononantsika hiatrika fisedrana. Mifikirà tanteraka amin'Andriamanitra fa ny fifikirana amin'Andriamanitra dia ahazoana fahasoavana vavaka. Ny fahasoavana no mampiray antsika amin'i Kristy sy mankahery antsika. Amin'ny alalan'ny fahasoavana no hanabeazan'ny Fanahy Masina antsika...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

23 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...