Boky Eksaody (Eks. 40, 16-21. 34-38)
Tamin’izany andro izany,
nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’ny Tompo azy, dia vitany araka izany.
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa,
dia voatsangana ny Fonenana.
Natsangan’i Môizy ny Fonenana;
naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany,
dia natsangany ny andriny.
Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana,
ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay,
araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara;
nataony tamin’ny fiara ny bao,
ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara,
dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny Vavolombelona,
araka ny nandidian’ny Tompo an’i Moizy.
Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana;
ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.
Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy,
fa nijanona teo amboniny ny rahona,
ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo.
Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely,
dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,
fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona,
mandrapahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray.
Fa ny rahon’ny Tompo dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro,
ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’iIsraely rehetra, teo amin’ny rahona,
mandritra ny andro rehetra nandehanany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 83, 3. 4. 5-6a. sy 8a. 11
Ny fanahiko manembona ka reraka,
manina ny Kianjan’ny Tompo!
Ny foko sy nofoko
mihoby an’ilay Andriamanitra velona!
Ny fody avy no mahita trano,
ny sidintsidina mahita akany ho an-janany
eo anilan’ny alitaranao,
ry Tompon’ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!
Sambatra izay monina ao an-tranonao,
ka midera Anao mandrakizay!
Sambatra ny olona izay omenao hery:
mitombo ny hery, ka roso indray ny dia.
Eny, andro iray eo an-Kianjanao,
dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena!
Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro,
toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana!
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao:
rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”
Eny, hoy izy ireo taminy.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:
“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy
avy amin’ny fitoeran-drakiny.”
Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 34, 29-35)
Tamin’izany andro izany, nidina avy tany an-tendrombohitra Sinaia i Môizy,
ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany
nony nidina avy any an-tendrombohitra;
ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany,
nandritra ny niresahany tamin’ny Tompo.
I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy
ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany
dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.
Nantsoin’i Môizy ireo,
ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana
ka niresaka tamin’ireo izy.
Vao izay vao nanatona azy koa ny zanak’i Israely rehetra,
ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’ny Tompo
tany an-tendrombohitra Sinaia.
Nony avy niteny i Môizy, dia nosaronany voaly ny tarehiny.
Raha niditra teo anatrehan’ny Tompo i Môizy hiresaka aminy
dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany.
Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin’ny zanak’i Israely ny didy azony.
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy,
fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy,
ka dia nosaronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 98, 5. 6. 7. 9
Asandrato
ny Tompo Andriamanitra!
Iankohofy ny Fitoeran-Tongony:
fa Masina Izy!
I Môizy sy i Aarôna tamin’ireo Mpisorony,
i Samoela tamin’ireo Mpiantso ny Anarany.
Samy niantso ny Tompo
ka novaliany.
Nitenenany tanaty andry rahona,
nitandrina ny Fanambaràna
sy ny Fitsipika
izay nomeny.
Asandrato ny Tompo Andriamanitsika,
miankohofa eo amin’ny Vohiny Masina!
Masina ny Tompo Andriamanitra!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 33, 7-11 ; 34, 5b-9. 28)
Tamin’izany andro izany, dia nalain’i Môizy ny trano lay,
ka naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany; nataony hoe:
“Ny trano lay fihaonana” no anarany;
ary na zovy na zovy nitady ny Tompo dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana
teo ivelan’ny toby.
Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana,
ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay
manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay.
Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy,
ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay,
ary ny Tompo miresaka amin’i Môizy.
Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka rehetra
ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy.
Ary ny Tompo miresaka mifanatrika amin’i Môizy,
mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany.
Rahefa izany dia miverina mankany amin’ny toby i Môizy,
fa i Jôsoe zanak’i Nôna, ilay zatovolahy mpanompony,
tsy mba niala tao afovoan’ny trano lay.
Ary niantso ny anaran’ny Tompo i Môizy.
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:
“Ny Tompo! Ny Tompo!
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
maharipo sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;
mitahiry ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo,
mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana,
nefa tsy avelany ho afa-maina ireny,
fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy,
hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.”
Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka nanao hoe:
“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay.”
Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’ny Tompo tao;
tsy nihina-mofo na nisotro rano akory.
Ary nosoratan’ny Tompo tamin’ireo takelaka
ny tenin’ny fanekem-pihavanana, dia ny Teny folo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 102, 6-7. 8-9. 10-11. 12-13
Manome rariny ny Tompo;
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalàny an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy... ny zanak’i Israely.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo;
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika;
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Fa tahaka ny haavon’ny Lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.
Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray;
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)
Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.”
Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe:
“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony;
ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 32, 15-24. 30-34)
Tamin’izay i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra;
nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona,
takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa;
voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa.
Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo,
ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasokitra tamin’ny takelaka.
Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe:
“Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.”
Fa hoy ny navalin’i Môizy:
“Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany
fa feon’olona mihira no reko.”
Nony mby teo akakin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy,
ka nirehitra ny hatezeran’i Môizy,
nazerany ny takelaka teny an-tanany,
sady novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra.
Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo,
nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony,
ary nafafiny tao anaty rano ny vovony,
ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna:
“Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao
no dia notsindrinao heloka be vava toy izao izy?”
Hoy Aarôna namaly azy:
“Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko.
Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity.
Izao no nolazain’izy ireo tamiko:‘Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay,
fa raha ny amin’iny Môizy iny,
ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta,
tsy fantatray na naninona izy na naninona.’Dia hoy aho tamin’izy ireo:
‘Samia ary mahafoy ny azy izay manam-bolamena.’
Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo,
dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.”
Nony ampitso, dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:
“Efa nahavita heloka be vava ianareo,
ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’ny Tompo aho,
fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.”
Dia niverina nankany amin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe:
“Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io,
fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.
Ary ankehitriny avelao re ny helony;
fa raha tsy izany,
vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.”
Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko.
Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao.
Indro fa handeha eo alohanao ny anjeliko,
nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 19-20. 21-22. 23
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombalahy homana ahitra.
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy Azy.
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.
Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voatsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy;
fa rahefa mitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.”
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra, dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana,
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.”
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe:
‘Hiloa-bava hilaza fanoharana aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao’.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco