Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-3)

Faingàna, dia mihinàna.

Izao no lazain’ny Tompo:

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia, mividiàna vary ka mihinàna;
avia mividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy,
ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{tan=Salamo fandinihana}

Sal. 144, 8-9. 15-16. 17-18

Manokatra ny Tananao Ianao, ry Tompo, ka mamoky zava-tsoa anay.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 35. 37-39)

Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana,
iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va sa fahaterena,
sa fanenjehana sa fahanoanana,
sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra?
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana,
na Anjely na fanjakana,
na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,
na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika;
ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Nihinana izy rehetra ka voky.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa ny nahafatesan’i Joany Batista,
dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an’efitra;
fa rehefa nahare izany ny vahoaka
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa,
ka nandeha tongotra nanaraka Azy.
Rehefa niala tao an-tsambo Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka;
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro;
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin’ny vohitra”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”.

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”.

Hoy Izy taminy:

“Ento aty amiko izany”.

Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nankatoavin'ny Papa François, ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabeony, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Arsidiôsezin'i Toliara noho ny fahafenoan'ny taona. Notendren'ny Ray masina handimby toerana azy i Mgr Gustavo Bombìn Espino, Evekan'i Maintirano... ♦ Nanainga omaly alina ireo Delegasôna Fahazavan'i Madagasikara, hiatrika ny JMJ hatao any Lisbonne, Portugal... ♦ Nigadona teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny sabotsy hariva lasa teo, i Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 25, 1. 8-17)

Amin’ny taona Jobily, hody any amin’ny taniny avy ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy
tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

“Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao:
fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito
dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra;
amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo,
ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany.
Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy,
samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo:
tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany;
ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
fa Jobily izany, ka masina ho anareo.
Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.

Amin’izany taona Jobily izany,
samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo,
na misy zavatra vidinareo aminy,
dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo
no hividiananao amin’ny namanao,
ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny,
ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny:
satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo,
fa matahora an’Andriamanitra,
satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka rehetra, ry Andriamanitra. Hidera Anao ny vahoaka rehetra!

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
ka hoy izy tamin’ny mpanompony:

“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy,
ka izany no ahavitany fahagagana maro.”

Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady io ianao.”

Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:

“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 23, 1. 4-11. 15-16. 27. 34b-37)

Ireo no fetin’ny Tompo antsoinareo andro tena malaza sy tena masina.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Ireto no fetin’ny Tompo,
ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:
Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana
amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’ny Tompo.
Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io,
dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana ny Tompo;
hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.
Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo,
ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.
Mandritra ny hafitoana,
hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahafito,
hisy fivoriana masina ho anareo,
tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.”

Ary niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe:
Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo,
ka mijinja ny vokatrareo ianareo,
dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.
Hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo io amboara io,
hahitanareo sitraka aminy;
ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.
Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata
amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva
dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.
Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandrapahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito,
dia hanatitra fanatitra vaovao amin’ny Tompo.
Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny Fanorenana:
Hanao fivoriana masina ianareo,
hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo.

Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny Tabernakla,
mandritra ny hafitoana ho fankalazana ny Tompo.
Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina.
Tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo;
mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo,
ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo,
famaranam-pety izany:
tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo.
Ireo no fetin’ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina,
hanaterana amin’ny Tompo sorona atao amin’ny afo,
sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka,
samy amin’ny fotoany avy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 3-4. 5-6b. 10-11ab

Hobio Andriamanitra herintsika.

Hobio Andriamanitra herintsika!
Derao ny Andriamanitr’i Jakôba!
Venteso ny hira, velezo ny amponga;
tendreo ny lokanga soa omban’ny valiha!
Amin’ny tsinambolana sy fenomanana,
tsofy ny anjomara hilanosantsika.

Fa izany no didy, ry Israely,
fitsipiky ny Andriamanitr’i Jakôba,
nataony lalàna ho an’i Jôsefa,
fony izy niala tany Ejipta!
Drey! teny tsy fantatro
izany henoko izany.

Aza mitahiry andriamanitra vahiny!
Aza mitsaoka andriamani-kafa!
Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay nampiakatra anao avy tany Ejipta!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va ity? Taiza no nahazoany izany rehetra izany?

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa,
ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany;
dia gaga ny olona ka nanao hoe:

“Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany?
Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io?
Tsy i Maria va no anaran-dreniny,
ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va
no rahalahiny ary moa tsy ety amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra?
Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?”

Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy:

“Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany
no tsy mba voahaja ny mpaminany.”

Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...