01 ôktôbra — I Thérèse de l'Enfant Jésus, na i Thérèse de Lisieux na i Thérèse Kely, dia teraka ny 02 janoary 1873, ary roa andro tao aorian'io, izany hoe ny 04 janoary izy no natao Batemy tao amin'ny fiangonana Notre-Damle d'Alençon. I Louis Martin no rainy, mpanamboatra famantarandro izy io, ary Zélie-Marie Guérin no reniny, mpanao dentelles no asany.
Aoka ho fantatsika fa ny "safidy" ao amin'ny olombelona dia anisan'ny fanomezan'Andriamanitra ambony indrindra, ka na Izy Mpahary aza dia manaja io safidy mipetraka amintsika olombelona io. Apetrany amintsika olombelona ny safidy na hanaraka ny lalan'ny fiainana na ny lalan'ny fahafatesana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
♦ Nifanakalo hevitra momba ny fanaraha-maso ireo toromariky ny iraka manokan'ny Vondrona Eorôpena, nanara-maso ny fifidianana tamin'ny 2018, androany ny teo anivon'ny CENI sy ny Masoivoho vaovaon'ny Vondrona Eorôpeana... ♦ Efa ao anatin'ny dingana fandinihana ny hanitarana ny tsena fivarotantsika ny fanafody vitan'ny Pharmalagasy eo anivon'ny SADEC sy ny COMESA ankehitriny, ny fitondram-panjakana... ♦ Vita ny fanarenana ny tany hananganana ny tetikasa Tanamasoandro, ka efa azo hanorenana trano any an-toerana...
Voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana. Izany no iorenan’ny hany fanantenantsika. Mandao ity vatana ity ny kristianina, izay maty ao amin’i Kristy Jesoa mba handeha honina eo akaikin’ny Tompo. Manazava ny momba ny fombam-pivavahana mandritra ny fandevenana kristianina i P. Randriamanamahenina Robert Marie
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco