Tsy eken'i Jesoa ny fahefana mamoritra sy ny fahefana jadona ampiharin'ireo mpitondra amin'ny fireneny (Mk 10, 42). Tsy nisalasala i Jesoa niteny mafy teo anatrehan'ny tsy rariny nataon'ny mpitondra. Hita ohatra amin'izany ny fifandraisany tamin'i Heroda "... mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe : indro mandroaka ny demony sy manasitrana marary aho...". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
14 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
♦ Handray anjara amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana ny Safidy, amin'ny alakamisy izao... ♦ Samy manana ny heviny ny amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny alakamisy 16 nôvambra 2023, ireo olom-pirenena nanaovana fanadihadiana... ♦ Miroso amin'ny fanorenena fotodrafitrasa manomboka izao, ilay tetikasa fitarihan-drano Pipeline Efao, any atsimon'ny nosy...
♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco