Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...
♦ Efa manomana ny fifidianana ho avy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Noamafisiny fa isan'ny paik'ady ny fananganana vondrona parlematera vaovao... ♦ Hitombo ny rano vokarin'ny Orinasa JIRAMA eny Mandroseza. Misy ny asa fanarenana ka tombanana hiakatra hatrany amin'ny atsasany ny rano vokarina afaka 2 volana... ♦ Misy ny fikasàna hanangana ny holafitry ny mpiasa sôsialy. Mikarakara izany ny ISTS eny Mandrimena Iavoloha sy ny sampana manofana ho mpiasa Sôsialy eny amin'ny oniversite... ♦ Nitatitra ny zava-bita nandritry ny 12 volana farany ny filoha Rosianina...
♦ Nahavita be tamin'ny famolavolàna mpisehatra amin'ny asa sôsialy ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sôsialy (ISTS) eny Mandrimena Iavoloha. Ivon-toerana mankalaza ny faha-65 taona nijoroany... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo omaly, ny filohan'ny fanavoazana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny delegasiôna niara-dia taminy. Tsy ho vita ao anatin'ny fotoana fohy hoy ny Koôlônely Randrianirina Michaël ny fanarenana ny firenena potika an-taonany maro... ♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Nanjaka ny demôkrasia teny Tsimbazaza, nalalaka ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka...
Mpisorona i Jesoa satria nanolo-tena amin'ny Ray ary nanolotra ny ainy ho sorona teo amin'ny hazofijaliana ho antsika olombelona. Ny teny "sorona" dia manana heviny maro fa eto amin'ity katesizy hifampizarana ity dia i Jesoa nanolotra ny tenany ho sorona ho antsika olombelona no heviny, ary miantso antsika hanolo-tena toa Azy koa ho porofon'ny fitiavana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco