♦ Tafapetraka amin'ny fomban'ny Eglizy amin'ny maha-Evekan'i Mahajanga azy omaly i Mgr Zigmunt Robaskievitz... ♦ Nambaran'ireo teknisiana eo anivon'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany fa vato sokajiana ho vato indostrialy no nivoaka any ivelany, fa tsy vato sarobidy, raha nanazava mikasika ilay vato 90kg ny ministera... ♦ 48 taona tamin'ny sabotsy teo, ny namonoan'olon-tsy fantatra ny Kôlônely Ratsimandrava. Mbola mijanona ho mistery mandraka ankehitriny ny momba ity raharaha ity... ♦ Niverina an-tanindrazana tamin'ny sabotsy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina...

Ny hoe midonana-poana dia teny roa mitambatra, dia ny hoe midonaka sy foana. Ny midonaka dia mitoetra fotsiny fa tsy an’asa, mitoe-poana eo fotsiny. Ny foana moa dia entina ilazana zavatra matetika, miveriberina. Ka ny olona midonana-poana dia olona mitoe-poana sady tsy mirotsaka amin’ny asa tsara, tsy mitady izay ho atao. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Alatsinainy 13 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Zava-dehibe ny fiatrehan’ny Fiangonana ny Konsily tao Roma, Lateranezy III (1179) izay niandian-kevitra momban’ny fakan’ny mpandraharaha masina sasany tambim-bola rehefa mizara Sakaramanta, ka navoaka ny lalàna ho entina manohitra ny «simonia» . Fanamelohana ireo Katary sy fandraràna ny hifampiraharaha amin’izy ireo. Ny Konsily tao Roma, Lateranezy IV (1215) no namaritra mazava tsara mikasika ny amin’ny Trinité Masina, ny fahariana, i Kristy Mpanavotra, ary ireo Sakramenta. Natao koa ny fanamelohana ny herezian’ireo Alibigezy sy Validezy, ary koa ny amin’ireo fampianaran-diso, izay nataon’i Joachim de Flore, momba ny Trinité Masina. Ny Konsily tao Lyon I (1245) kosa dia nanameloka an’i Frederika II. 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...