Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-panona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nampanantena indray ny mpitondra fa afaka roa herinandro ny fitanterana ireo fitaovana vaventy avy ao Toamasina ho famahana ny olan'ny JIRAMA... ♦ Efa tafapetraka ny taratasy fangatahana toerana kasain'ny saindika TRIADE hanaovana ny fivoriambe hijerena miaraka ny olan'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Nosafidian'i Père Pedro Opeka mpitantana ny toby Akamasoa hankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy ny any Vangaindrano... ♦ Voafonja maherin'ny 13.500 no tafatsoaka vokatry ny savorovoro any Népal. Herisetra mbola tsy nisy tao anatin'ny 20 taona no nitranga tany an-toerana...

Ny misongady amin'ny fanirahana an'i Môizy : famaritan'Andriamanitra ny tenany mivantana sy ny momba azy amin'ny zanak'Israely ; araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Môizy hoe : "Ilazao ny vahoaka fa Izaho ilay MISY", izany hoe, ilay eo an'ivon'ny vahoaka mandrakariva. Ny fanafahana ny vahoaka teo anatrehan'i Faraoana dia noho ireo toro-marika avy amin'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Miantso ny mpanao politika tsy ankanavaka, na mpanohitra, na mpiara-dia amin'ny fitondrana, ny antoko ALFA, mba tsy haneho hevitra mifono fihantsiana sy fandranitana ka ahiana hiteraka savorovoro eto amin'ny firenena... • Hiroso amin'ny fivoriambe ny sendika TRIADE amin'ny zoma 19 septambra ireo. Misy ireo tompon'andraikitra manao ny sakantsakana amin'izany... • Hikorontana ny famatsian-drano amin'ireo toerana maromaro ao Antananarivo Renivohitra, rahampitso alakamisy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...