♦ Niantso ireo solombavambahoaka mba handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha niantso ireo tanora tsy ho tafiditra amin'ny fandrika pôlitika kosa ny filoha mpisolo toerana ny antenimieran-doholona... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena nanodikodina ny volam-panjakàna na harem-pirenena na eto an-tanindrazana na any ivelany, hoy ny fanambarana avy amin'ny Primatiora... ♦ Nalalaka tamin'ny foto-kevitra nijoroany ary manaja ny hevitra pôlitika hananan'ny tsirairay ny solombavambahoaka tamin'ny nanendrena ny praiministra hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza...

Ny "Sacrosanctum Concilium" no vato fehizoron'ny fanavaozana ny Litorjia Katôlika amin'ny taonjato faha-20. Tamin'ny tapaky ny taonjato faha-20 dia efa hita fa nanjary tsy nifandray loatra amin'ny fiainan'ny vahoaka ny fankalazana litorjia : Lahateny sy fombafomba tamin'ny teny Latina, vahoaka mandray anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

♦ Miantso ny solombavambahoaka handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny firenena ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena. Tsy maintsy mamerina izay volam-panjakàna na harem-pirenena nahodikodiny ireo izay hananana porofo mazava... ♦ Takian'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (OSCEAH) ny tsy aharava ny atrik'asa sy ny famatsiam-bola teknika ataon'ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikarsa...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...