♦ Efa mirehatra mena avokoa ireo tondro rehetra maneho ny tsy fahombiazan'ny fitantanan'ny mpitondra sy ny fahantran'ny vahoaka Malagasy hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Voaresaka tamin'ny fihaonana teo amin'ny filoha Malagasy sy ny delegasiôn'ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy sy ny fanavaozana ny satan'ny orinasa jirama... ♦ Eken'ny kaominina Antananarivo renivohitra ny hiasan'ny taxi-moto ho fitaovam-pitanterana ara-dalàna, hijery miaraka ny fomba hametrahana ny rafitra ho azy ireo ny kaominina sy ireo chef de piste... 

♦ Nankatoavin'ny governemanta ny tolo-kevitry ny CENI ny hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ny faha-11 ny volana desambra ho avy izao... ♦ Hikarakara varavarana misokatra ny zoma sy sabotsy izao ny Faculté toe-karena, fitantanana, ary ny fiaraha-monina (EGS) eny amin'ny Université Ankatso... ♦ Ho foana afaka volana maromaro ny fahatapahan-jiro lavareny (délestage) any amin'ny Distrika Vohimpeno, Faritra Fito-Vinany, ity Distrika ity izay isany nisitraka ilay fandaharan'asa fametrahana Parc solaire... ♦ Praiministra fahafito nandritra ny fitondran'i Emmanuel Macron nanomboka ny volana mey 2017 ny praiministra Sébastien Lecornu...

Noho ny fahitan'i Faraona fa nitombo be ny vahoaka Israeliana dia natahotra izy sao lasan'ireo zanak'i Israely i Egypte manontolo. Nandevozona ny vahoakan'i Israely, nampanaovina biriky, midika ho "ozona" ny asa tamin'izany. Niaritra 640 taona ny vahoakan'i Israely tao Egypte. Hitan'Andriamanitra ny fahoriana niainan'ireo vahoakany ka nifidy an'i Môizy Andriamanitra hanafaka an'i Israeliana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Hahazo fitaovam-pianarana maimaim-poana avokoa ny mpianatra maherin'ny iray tapitrisa eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany teny amin'ny EPP Ambatobe... • Mbola mahaliana ireo mpianatra ny fanarahana ny fampianarana eny amin'ny oniversitem-panjakana. Maro ireo tanora mandray anjara amin'ny fitsapam-pahaizana eny amin'ny anjerimanontolo... • Nanomboka androany ary haharitra efatra andro, eny amin'ny Motel Anosy, ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpampiofana eo anivon'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny asa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...