• Miantso ny rehetra handray anjara amin'ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Tsy hihemotra intsony ny fitarihana izany, hoy ny Filohany, tamin'ny famaranana ny Komity Foibe faha-47 androany, teny Antanimena... • Hakana hevitra eny Antaninarenina ny mpanjifa rehetra, hanavaozana ny tontolon'ny fanjifana eto Madagasikara. Lohahevitra maro mifandray amin'ny fanjifana no handraisana hevitra amin'izany... • Natao ho andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny alarobia 27 mey 2026. Miantso ny mpampiasa handray fepetra mifanaraka amin'izany ny Minisiteran'ny Asa sy ny Asam-panjakana...

♦ Mila miomana dieny izao ny mpiantsehatra rehetra hiatrika ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Kômity Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara (JFIM). Mila manaraka ny tarika hitondran'ny FFKM ny rehetra hoy Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Haverina indray ny fitandroana ny fifamoivoizana ataon'ny pôlisim-pirenena manerana ny nosy (Police de la route). Herinandro no omena ireo mpisehatra amin'ny fitanterana sy ny fifamoivoizana hoy izy ireo ka hihatra amin'izay ny sazy... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tantely. Miantso ny rehetra hitandro ireny bibiky ireny mpamokatra sakafo ireny ny MAM...

♦ Amin'ny fanamarihana ny herinandron'ny Laudato Si ny Eglizy katôlika amin'izao fotoana izao. Fotoana hijerena sy hamerenana ny fandinihana ny "Encyclique" momba ny fiarovana ny tranobe iombonana. Hifarana amin'ny alahady izao ny fanamarihana... ♦ Voafehy ny fiparitahan'ny andiam-balala eto Madagasikara. Tanjona ny hitohizan'izany hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo Ramindo Gaëtan... ♦ Nampahafantatra ny mahazava-dehibe ny fanodinana ny fako tamin'ny alalan'ny fihaonana sy fifanankalozana teny Anosy kosa omaly ny CIDST. Niompanan'ny resaka ny momba ny fitantanana sy ny fampiasana ny fako...

• Mametraka fanamby hifehy ny fihanaky ny valala eto amintsika ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, sy ireo mpiara-miombona antoka aminy... • Nofaranana androany teny amin'ny Antenimeram-pirenena, tamin'ny alalan'ny fivoriana azon'ny rehetra natrehina ny iraky ny P.R.J.I.O, Parlemantan'ireo tanora aty amin'ny faritra Oseana Indiana... • Nikarakara fihaonana fifanakalozana mikasika ny fitantanana sy ny fampiasana indray ny fako organika sy plastika teny Anosy androany, ny CIDST sy ny CNRIT ary ny Alliance AIKA...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...