20 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)
♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny fandaharan'asa MBF Agribusiness ao amin'ny tetikasa PIC 3... ♦ Manome tanana amin'ny fanesorana ny fakon'Antananarivo ny Minisiteran'ny Rano sy ny Governemanta iray manontolo, ary ny Faritra Analamanga. Mahatratra 2000 m3 isan'andro ny fako ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 25%-n'ny mponina eto Madagasikara dia tsy manana sora-piankohonana, ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany, araka ny tarehimarika navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena...
♦ Notendren’i Mgr Georges Varkey, Evekan’i Port-Berger, ho Vikera Jeneraly, i P. Ravelomalaza Jacques Pierre Adolphe, Curé ao amin’ny Paroasy Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely… ♦ Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torio, hoy i Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra miisa 25 nohamasinina ny alahady 14 janoary 2024… ♦ Ny tena fitiavana marina dia mahafoy ny tenany ho an’ny hafa… ♦ Any Etazonia, notanterahina ny 18 nifoha 19 janoary ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina…
Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco