♦ Mizotra atsy Kenya nanomboka ny antoandro teo ilay fihaonana antampony momba ny toe-karena eo amin'i Frantsa sy Afrika. Anisan'ireo Filoham-panjakàna 30 miatrika izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Olona maromaro no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe, noho ny fihinànana "composé". Mbola misy amin'ireo narary no mbola manaraka fitsaboina eny amin'ny Hôpitaly hatramin'izao... ♦ Manomboka miha-simba ary ahiana ho faty ilay Baobab lehibe indrindra eto Madagasikara hita any amin'ny Distrikan'i Morombe Faritra atsimo-andrefana. Baobab manana haavo mihoatry ny 28 metatra...
Karazan'olona efa nisy fahagola teto Madagasikara ny Vazimba ary azo heverina fa razamben'ny Malagasy. Olombelona toy ny olona rehetra ny Vazimba, fa manana fomba sy fiaina miavaka sy manaja fady sy fomba ka manana fanomezam-pahasoavana mahavita miaina sy miresaka amin'ny tontolo ara-panahy sy Andriamanitra - Andriananahary. Mbola maro ny tarana-bazimba sy ny toerana misy azy ireny : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao. Ny Kalanoro sy ny Vazimba dia misy ifandraisany ary tombanana ho taranaka iray ihany...
Mandritry ny fanabeazana ireo ankizy sy zavatovo dia efa atomboka ny famolavolana azy ho amin'ny adidy sy andraikitra maha olon-dehibe sy ny ha-olon-dehibe. Raha fianakaviana tsy ampy fifaneraserana sy fifanankalozan-kevitra dia mety ho olana ho an'ny fanabeazana satria hahazo vahana kokoa ny toro-hevitra sadasada any amin'ny fiahara-monina ivelan'ny tokantrano. Ilaina araka izany ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nodisoin'ny Ministry ny Fitsaràna ny filazàna fa tsy afaka nitsabo tena, tany amin'ny Fonja nitazonana azy Ramatoa Rinah Rakotomanga. Nanazava ny momba izay sy ny raharaha Naivo Raholdina ihany koa Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, omaly... ♦ Nametra-pialàna omaly ny ben'ny tanànan'ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra, noho ny ambarany fa fikatsahana fitoniana... ♦ Hisy ny fanomezana laharana tokana famantarana ho an'ny mpianatra anatin'ny tetik'asa Prodigy. Mpianatra maherin'ny 4.000.000 no voasoratra hatramin'ny faran'ny volana jona 2026...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco