♦ Tafatsangana ny antoko politika MODEL tarihin'Andriamatoa Paraina Auguste izay handray anjara feno amin'ny fifidianana eto amin'ny firenena... ♦ Nisy andininy vitsivitsy nolavin'ny HCC, tao anatin'ny tolo-dalana momba ny fizakantenan'ny Oniversite sy ny toeram-pampianarana Ambony. Hhivory handinika izany ny sendika Seces... ♦ Hanampy ireo mpandraharaha hanarina ny toe-karem-pirenena ny Agence Première Ligne... ♦ Nampiato ny asan'ireo mpanao gazetiny miasa any Rosia ny BBC ho fiarovana ny ain'izy ireo...
♦ Tsy misy mampanahy ny resaka fanampiana avy amin'ny firenena tandrefana satria tsy afa-miala amin'i Afrika ireo firenena erôpeana, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena Moussa Soalihy... ♦ Olona hatrany amin'ny 400 tapitrisa eran-tany no kendren'ny Water Aide maneranantany hisitraka rano fisotro madio ao anatin'ny 10 taona... ♦ Nisy omaly ny fotoam-pivavahana teny amin'ny chapelle militaire Ampahibe ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy...
Anisan'ny sehatra lehibe ny fifandraisan'ny mpiara-belona, zava-dehibe ary fomba hanomezana toerana an'i Jesoa Kristy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona. Zava-dehibe ny fitrandrahana vaovao marina. Asaina ny rehetra mba hijery ny soa iombonana, indrindra rehefa mampita hafatra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Ry kristianina havana, sabotsy ny andro, dia mahatsiaro manokana an’i Masina Maria isika mianakavy, ilay Reny nanatri-maso ny fijalian-janany, ary niara-namakivaky taminy ny lalana mankany Kalvery. Reny, niaina ny fanenjahana, fiafiana, ranomaso sy fanalàm-baraka, nanomboka tamin'ny nanaovany hoe « ENY » teo anatrehan’ny Anjely, nitazona ny teny nomeny ka nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho famonjena antsika olombelona.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco