Boky Fanisana 24, 2-7. 15-17a
Tamin’izany andro izany,
natopin’i Balaama ny masony,
dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy,
ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:
“Faminanian’i Balaama, zanak’i Beora;
faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha,
izay lavo ka misokatra ny masony:
Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba!
Ary izato fonenanao, ry Israely!
Midadasika toa lohasaha,
tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
tahaka ny taretra nambolen’ny Tompo,
tahaka ny sedera amoron-drano!Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa.
Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be.
Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga,
ary ny fanjakany mandroso voninahitra.”
Dia nilaza ny lahateniny indray i Balaama, ka nanao hoe:
“Faminanian’i Baalama zanak’i Beora.
Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra,
izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha.
Izay lavo ka misokatra ny masony.
Hitako Izy, fa tsy toy ny ankehitriny;
tazako Izy fa tsy mba akaiky.
Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba,
tehim-panjaka iray mitsangana avy amin’i Israely.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 24, 4ab-5ab. 6-7bd. 8-9
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy!
Ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.
Aleloia. Aleloia.
Ho avy ny Tompo, tsenao izy;
Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 23-27
Tamin’izany andro izany,
rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe:
“Fahefana avy aiza no anaovanao izao?
ary iza no nahazoanao izany?”
Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo;
ka raha voavalinareo izany
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy taiza moa ny batemin’i Joany?
avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?”
Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:
“Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra,
dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo?
Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray,
ny vahoaka kosa no atahorantsika,
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.”
Dia izao no navaliny an’i Jesoa:
“Tsy fantatray.”
Ary hoy Izy taminy:
“Izaho koa àry,
dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18e)
Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mireharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:
“Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 12, 2-3. 4bde. 5-6
Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako,
Izy no famonjena ahy.
Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!
Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 4-7)
Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo;
eny, averiko indray: mifalia e!
aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo:
efa akaiky anie ny Tompo e!
Aza manahy na inona na inona;
fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)
Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe:
“Inona àry no hataonay?”
Dia namaly izy ka nanao hoe:
“Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana;
ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”.
Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe:
“Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?”
Dia hoy izy taminy:
“Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”.
Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe:
“Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?”
Dia hoy ny navaliny azy:
“Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana,
ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo”.
Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:
“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho,
ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany,
ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra,
fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.
Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Mpivahiny isika, mila miantoraka amin'Andriamanitra tompon'ny lanitra sy ny tany. Tsy afaka misaraka ny fitiavantsika an'i Marie renin'Andriamanitra sy i Jesoa ilay tena Andriamanitra. Raha milaza fa tia ny zanany isika dia tokony hitia azy Marie Reny koa. Maro ny fanajana sy vavaka azo atao miaraka amin'u Masina Marie ; fa i Jesoa no tetezana mampifandray antsika amin'ny Ray... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
Ny lagaly dia aretina misy mandavan-taona, tao anatin'ny fotoana fohy izay dia mihamaro ny olona marariny. Ny lagaly dia aretin-koditra, ary mifindra, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo. Bibikely atao hoe "sarcopte" ny mitondra ny lagaly, izay miditra amin'ny maso-koditra. Ny fifampikasohana no mampifindra aza haingana, ny fitsaboana azy dia tsy maintsy atao amin'ny iray trano. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
Alahady voalohany fiavian’ny tompo – taona D : ho avy i kristy amin’ny farandro ; Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao. Miditra amin'ny fotoanan'ny fiaviana isika izay fotoana mialoha ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, izany hoe afaka herinandro efatra. Mampalahelo fa ny fiverenan'i Jesoa kristy dia ampifandraisintsika amin'ny loza hitranga amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, ny voalazan'ny Evanjely anefa nambara mba hankahery antsika sy hampifoha. Jesoa ilay ho avy no fahazavana lehibe, anefa tsy maintsy mivonona isika, amim-bavaka sy amim-pinoana...
Ny vavaka dia loharanon'ny fahamasinana sy ny asa fanirahana. ; hoy i Jesoa (Jn 15,5) " raha tsy Izaho dia tsy mahefa inona na inona ianareo". Amin'io toko faha 15 io Joany dia milaza mazava fa i Jesoa no Foto-boaloboka ary ny Rainy no mpamboly. Izy no loharano ipoiran'ny fiainana sy ny fitomboana ara-panahy ; izany no mitory ny fifandraisan'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny fanaovana Batemy dia iraka lehibe nampanaovin'i Jesoa ny Apôstôly, mampiharihary ny anjara toeran'ny Trinite Masina ao amin'ny finoana Kristianina ; sady manipika mazava tsara ny iraka iraisan'ny Eglizy manontolo, araka ny voalaza hoe " Manaova Batemy azy amin'ny anaran'ny RAY sy ny ZANAKA ary ny FANAHY MASINA. Mazava fa ny Batemy no fidirana voalohany amin'ny fiombonana... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco