Ny "RANGO" dia karazan-dahabolana malagasy, mifamatotra amin'ny fomba sy riba indraindray. Isan'ny fotoana hisehoan'ny RANGO ny riba "Forazaza", ny lalao ara-panatanjahan-tena "Moraingy". Ny olona mpanao ny "RANGO" dia mety ho vondron'olona, tarika, fokonolona. Ny votoatin'ny rango dia mifantoka amin'ny loha-hevitra iray, anefa raha hifamalianà tarika dia mety ho loha-hevitra hafa no raisin'ny mpifanandrina, arakaraky ny toe-java-misy. Ny RANGO dia atao tsy misy zava-maneno miaraka aminy matetika...
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦Manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna matoa tsy hanitsy ny teti-bolam-panjakàna eny anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hisy ny fifaninanana fanajariana tanàna eo amin'ireo Fokontany 192 ao an-drenivohitra. Hahazo vola 200 tapitrisa Ariary hanaovana fotodrafitr'asa ireo Fokontany 5 voalohany, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Nitondràna fanavaozana ny volavolan-drija-tenin-dalàna momba ny omby eto Madagasikara. Nisy ny fakàna sy fandravonan-kevitra mifandraika amin'izany teny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, androany...
♦ Fotoana handraisan'ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina fanapahan-kevitra amin'ireo ministra tsy nahomby amin'ny asany, ny akon'ny fihaonan'ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny antoko RPSD. Fihaonana hotanterahana ny 12-13 jona izao... ♦ Hanampy betsaka ireo madinika ny fifanaovan-tsoniam-piara-miasa eo amin'ny fikambanan'ny orinasa Malagasy FOM sy ny BNI amin'ny alalan'ny KRED Madagasikara... ♦ 69% amin'ny taham-pahaveloman'ireo zana-kazo nambolena amin'ny ankapobeny, raha ho an'ny taona 2024. Hamafisina hatrany ny ezaka fikolokoloana sy fanaraha-maso ny hazo novolena, hoy ny Ministry ny tontolo iainana...
♦ Manao ady sisika amin'ny famoahana ny mangarahara amin'ny fampiasam-bolan'ireo antoko pôlitika ny Transparency International Initiative Madagasikara (TIMG)... ♦ Voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin'ny fifaninanana tsipy kanetibe i Samisa, ekipan'ny RDB, na dia resy teo amin'ny lalao famaranana aza, nandritra ilay fifaninanana ho an'ny orinasan-tserasera "Iray eny an-kianja 2025"... ♦ Tsy tana ny ain'ireo olona roa vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faha-4, ary 20 no naratra, teo anelanelan'ny Mahatsinjo sy Ankazobe, omaly... ♦ Namerimberina ny antsoantso efa nisy hatramin'izay amin'ny fampitsaharana ny ady ny Papa Léon faha-14...
Ny Eveka Katôlika amin'izao fotoana izao dia eo ny Papa, eo ny "Collège épiscopal", ny dimbin'ireo "Colleège apostolique" Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao ieo niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany ka ireo no antsoina hoe Collège apostolique". Ireo zokiolona nantsoina hoe "Presbyters" dia nanampy ireo apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Isan'ny endriky ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao sy ankehitriny ny Eglizy mivoaka, mitady an'ireo izay mbola eny amin'ny sisiny, ka manambara an'i Kristy fototry ny famonjena. Sarotra no manatanteraka io iraka io raha tsy hay ny mandanjalanja ka miezaka mampifanaraka ny asa fitoriana amin'ny zava-misy sy ny vanim-potoana lalovana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny Papa dia dimbin'i Masindahy Pierre sy ny Apôstôly. Ny Cardinaly latsaky ny 80 taona rehetra no mifidy, dia izay feno 80 taona amin'ny faha-16 mey 2025 no zokiny indrindra. Tsy voatery izao ao anatin'ny "conclove" no azo fidiana ho Papa. Ny setroka fotsy dia manambara fa voafidy ny Papa, fa raha setroka miloko mainty no mivoaka amin'ny fantsona dia midika fa mbola tsy voafidy tamin'ny dingan'ny fifidianana ny Papa.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tsy natao ho an'ireo olona nanokan-tena ho an'Andriamanitra irery ny fitoriana sy ny fitaomana ny olona hanatona an'Andriamanitra fa asan'ny Eglizy manontolo, anisan'izany ireo vita Batemy rehetra. Ny vita Batemy dia voaantso hijoro ho vavolombelon'i Kristy na aiza na aiza misy azy, na aiza na aiza ivelomany. Adidin'ny Kristianina ny mampiely ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Notanterahana androany ny fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa maromaro etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato... • Tokony hanokafana fanadihadiana ny voalazan'ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, tamin'ireny horona-tsary navoakany ireny, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, mpitarika ny RMDM... • Vonona tanteraka ny Ekipan'ny Radio Don Bosco, hiatrika ny fifaninana ho an'ny orinasan-tserasera, na ny Intermédia 2025. Hetsika izay hotanterahana eny amin'ny Kianja Barea Annexe Mahamasina, rahampitso...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
• “Ho aminareo anie ny fiadanana”, izay no teny firarian-tsoa voalohany nataon'ny Papa Léon XIV, raha niseho vahoaka voalohany tao Vatican izy. Niarahaba manokana an'i Roma sy i Chiclayo ihany koa izy... • Olona mahafehy ny didy aman-dalana, ny lafiny teknika sy siantifika no handrafitra ny delegasiona hiatrika ilay fivorian'ny vaomiera manokana momba ireo nosy manodidina any Frantsa ny 30 jona 2025... • Fikambanana Mazoto sy Zanadriaka : Nanao fanambarana omaly, nilaza fa tsy hanaiky hatramin'ny farany ny hirosoan'ny tetikasa Base Toliara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco