Zava-misy : mampiavaka an'i Madagasikara ny oratsimba (langouste) anatin'ny vanim-potoana fanjonoana azy ity ny faritra maro manerana ny nosy. Inona no tombony azon'ny mponina amin'ny faritra misy azy?. Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

♦ Hampitsahatra ny asam-pitsaràna eny amin'ny Tribonaly anio ny Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo ny fampiatoana mpitsara miisa 4 amin'ny asany tamin'ny fomba tsy ara-dalàna... ♦ Nanao fanambaràna omaly ny Ministeran'ny Fitsaràna momba ny anton'izao fampiatoana amin'ny asany ireo mpitsara miisa 4 ireo izao. Mandeha ny asam-pitsaràna hoy ny fanazavàna... ♦ Miverina mihamafy indray ny fahatapahan-jiro lavareny eto Antananarivo. Toerana vitsivitsy tao an-drenivohitra indray, tamin'ny alina no nahitàna fihetsiketsehana nanoherana izany... ♦ Hifidy izay ho filohany ny vahoaka amerikana anio talata...

Fanandratana ny fahany ho amin'Andriamanitra na fangatahana Aminy ny soa sy ny tsara, ny vavaka. Mivavaka ny olona manontolo amin'ny alalan'ny fihetsika na teny fa eo koa ny fanahy na ny saina fa matetika indrindra ny fo. Ny vavaka kristianina dia fifandraisam-pifanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ao amin'i Kristy. Asan'ny Trinite Masina ny vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

♦ Tsy hiasa rahampitso, noho ny fampiatoana araka asa sy ny fanapahana ny karaman'ireo Solompampanoa miisa efatra, ny sendika SMM... ♦ Adikan'ny Federasiôna Nasiônalin'ny Fampianarana tsy miankina eto Madagasikara ho fanapotehana ny fanabeazana ny handefasana amin'ny ampaham-bolan'ny fampianarana ho an'ny Jirama... ♦ Roa no namoy ny ainy ary dimy hafa naratra, vokatry ny varatra nilatsaka tao Antanisarotra Betafo...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ny 31 ôktôbra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo Atsinanana... ♦ Notontosaina ny 3 nôvambra 2024 ny Eokaristia Masina fanokafana ny taom-piofanana 2024-2025, ho an'ny Grand Séminaire de Théologie, Masindahy Jean Marie Vianney, Mangarivotra Moramanga... ♦ Loharano sy fototra ny fo, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny 3 nôvambra 2024...

♦ Hotanterahana ny alahady 5 janoary 2025 ny fametrahana ny Eveka Vaovaon'ny Diôsezin'i Farafangana, Mgr Marcelin Randriamamonjy eo amin'ny Katedra araka ny fomban'ny Fiangonana... ♦ Voatery niverin-dalana teny ampanidinana omaly ny sidina mampitohy an'i Paris sy Antananarivo an'ny kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Air France noho ny fahitàn'ny mpanamory toe-javatra mampiahiahy teny ampanidinana tao amin'ny fari-dranomasina Méditerrané... ♦ Tandondomin-doza noho ny fanapotehana ny tontolo iainana ny velontenan'ireo mpanjono amin'ny farihy misy eto Madagasikara. Mihena isan-taona ny velaran'ny faritra azon'izy ireo anjonoana...

♦ Mankalaza ny faha-125 taonany ny ECAR Masina Maria Mpanampy ao Soanierana. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina no nanombohana izany omaly niaraka tamin'ny fankalazana ny fetin'ny Fiangonana... ♦ Tsy tapaka ny fifandraisana ara-diplômasia eo amin'i Madagasikara sy Comores hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny Malagasy ny faran'ny herinandro teo. Misokatra ho an'i Comores ny sisin-dranomasin'i Madagasiraka rehefa miverina amin'ny laoniny ny toe-draharaha momba ny fahasalamana...  ♦ Mitohy hatrany ny fahatapahan'ny herin'aratra nandritra ny faran'ny herinandro teo. Voahitsakitsaka ny andininy faha-21 amin'ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'ny olombelona hoy ny mpiaro ny zon'olombelona...

Rehefa amin'ny famaranana ny fankalazana ny Eokaristia "Lamesa" dia ilazàna isika hoe "Hitantana ny diantsika anie i Kristy" izany hoe aoka hialoha lalana amin'izay ataontsika rehetra, amin'ny fiainantsika i Kristy ka mitohy amin'ny fiainana na koa hoentina amin'ny fiainana andavanandro izay natrehana teo, ka entina mody izay azontsika. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra, resaka ifanaovan'ny mpifankatia : olombelona sy Andriamanitra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Ny tombontsoa sy fahasoavana azo avy amin'ny litorjia dia tsy vahiny sy tsy manavao satria mitovy avokoa ny eran-tany na ny foto-kevitra, ny vavaka, ny vaki-teny. Afaka miombona foana ary afaka mandray anjara mandrakariva. Tsy miova fa anaty rafitra maharitra. Afaka mivavaka foana na aiza na aiza, na rahoviana. Santatry ny litorjia an-danitra mandrakizay ny litorjia eto an-tany... Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

Vakiteny voalohany

Taratasy Fahatelon’i Masindahy Joany Apôstôly (3 Jo. and. 5-8)

Tsy maintsy manohana ny rahalahy isika mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.

Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin’ny rahalahy,
fa indrindra amin’ireo vahiny;
ka nambaran’izy ireo teo anatrehan’ny Eglizy ny fitiavanao namana.
Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an’Andriamanitra ianao,
amin’ny fandehanan’izy ireo;
fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan’izy ireo,
ka tsy nandray na inona na inona tamin’ny jentily izy.
Tsy maintsy manohana ny olona toa ireny isika,
mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)

Andriamanitra hanome rariny ny olom-pinidiny mitaraina aminy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany
momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy:

“Tany amin’ny tanàna anankiray
nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin’izany tanàna izany koa,
dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe:
‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’;
fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy.
Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo:
‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy ity mpitondratena ity,
ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’
Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny
izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo.
Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona,
moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny hateloana 31 oktobra, 1-2 novambra dia nanana ny lanjany teo amin'ny tantaran'ny fanompoan-tsapy tany Irlande, izay niendrika fety. Tany Rôma kosa dia 23-24-25 desambra no nisy ny fankalazàna. Ny Fiangonana dia miady amin'ny ratsy rehetra, izay mila heri-po. Ny fanamarihana ny "halloween" dia mitovy lenta amin'ny famosaviana, mifanohitra amin'ny maha kristianina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Vakiteny voalohany

Taratasy Faharoan’i Masindahy Joany Apôstôly (2 Jo. and. 4-9)

Izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana,
araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy,
— tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany —
aoka hifankatia isika.
Ny fitiavana dia izao:
ny mandeha araka ny didiny;
ary ny didiny araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao:
ny mandeha amin’ny fitiavana.
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao,
izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy;
ireny no mpamitaka sy antikristy.
Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay,
fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy
dia tsy manana an’Andriamanitra;
fa izay mitoetra ao amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18

Sambatra izay mizotra amin’ny lalan’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny lalan’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!

Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao!
Raketiko ato am-poko ny didinao,
mba tsy hanotako aminao.

Asio soa ity izaho mpanomponao;
ka ho velona sy hitandrina ny teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Evanjely

Aleloia. Aletoia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Toy izany koa no hiseho amin’ny andron’ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.”

Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ho aiza Tompoko?”

Ary hoy Izy taminy:

“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...