Mbola nametrahan’ny mpifidy ny fitokisany indray hitantana ny tranoben’ny tantsaha mpampokatra nasionaly mandritra ny dimy taona manaraka ny filoha ankehitriny, RAZAFIMBOLOLONA Angeline. Natao ny 30 Aogositra 2024 teny amin’ny CFFAMA Nanisana ny fifidianana mandrafitra ny birao nasionaly eo anivon’ny tranoben’ny tantsaha...

♦ Toerana hitazonana fitondrana, kanefa toerana nahafahana nanongana mpitondra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tsy mahagaga raha hifandroritan'ny mpanao pôlitika... ♦ Efa manomboka mihena ireo olona mikarakara taratasim-panjakana eny amin'ny Boriborintany ao Antananarivo Renivohitra, tamin'ity herinandro ity... ♦ Tsy handefitra amin'ireo olona mibodo ny tanin'ny SEIMAD eny Betsizaraina Ambohimangakely, ny fitondram-panjakana...

10 septambra 2024 — Tatala, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)

9 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)

8 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Ny fanadihadiana azahoana mamoaka antotanisa "STATISTIQUE" dia efa nampiasaina nanatsarana ny fiainan'ny mponina. Mba hampitombina tsara ny fanadihadiana dia valin-teny marina no angatahina amin'ireo tokan-trano na olona hadihadiana, omena antoka izy ireo fa tsiambaratelo ny loharano nahazoana ny valin-teny. Asan'ny INSTAT mahaleontena ny fanadihadiana. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Tsy nahavita nanala vela tamin'ny ekipan'i Tonizia i Madagasikara. Resy iray no ho tsy misy ny Barea, tamin'ny andro voalohany amin'ny fifanintsanana CAN 2025... ♦ Andro faharoa amin'ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana kaominaly ny 11 desambra, anio. Mbola nangingina aloha ireo OVEC nandalovana ho an'ny omaly... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika noho ny kolikoly ny tompon'andraikitry ny tsenambaro-panjakana, na ny PRMP, any amin'ny DREN Menabe. Araha-maso ara-pitsarana kosa ny olona roa hafa...

Manan-danja ny Fiangonana satria ao anatiny no amolavolana ny mpivavaka. Fiombonan'ny Kristiana mifankatia ao anatin'ny finoana sy fanantenana ny Fiangonana. Mampiombona Andriamanitra ; misterin'ny fiombonana ny Fiangonana ary avy amin'Andriamanitra izany, tamin'ny alalan'ny Pakan'i Jesoa Kristy, mampihavana. Izy Jesoa no mpampiombona... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

♦ Nisokatra androany eny anivon'ny OVEC isan-distrika ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Tsy mbola nisy kandidà nametraka firotsahan-ko fidiana ho an'ny OVEC sasany... ♦ Tsy nilaza mazava ny maha kandidà azy na tsia ny PDS Antananarivo, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Hihaona amin'i Tonizia anatin'ny fifanintsanana CAN 2025 anio alina, ny Barean'i Madagasikara. Any amin'ny Tonizianina ny tsindry, ka azo eritreretina tsara ny handresen'ny Barea, hoy i Franck Rajaonarisamba...

Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny  alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.

♦ Handray andraikitra tandrify azy hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ny antenimieram-pirenena. Miantso ny CENI ihany koa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny filohan'ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, Tokely Justin... ♦ Hotohanana amin'ny famoronana asa ho an'ny tenany ireo tanora tsy an'asa amin'ny faritra iva ao an-drenivohitra ao. Mikarakara fampiofanana arak'asa faobe ho azy ireo ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa... ♦ Namolavola fandaharan'asa ahafahana miatrika ny loza voajanahary ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Anglisy. Mamatsy vola tamin'izany ny governemanta Britanika...

Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...