Misy zava-miafina izay tsy takatry ny saintsika amin'ny fiainan'i Jesoa hoy ny Papa fa maneho ny maha-Izy azy manontolo azy. Ny vavak'i Jesoa dia mifono mistery lalina izay tsy voavinavinantsika. Mila an'i Jesoa ny olona rehetra, indrindra ireo mila fanasitranana na ara-batana na ara-panahy. I Jesoa dia miaraka mivavaka amintsika ary mitondra ny vavaka ataontsika any amin'ny Rainy, hazoantsika fahasoavana. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...

♦ Nidina ifotony nitafa tamin'ny mpivarotra sy ny tompon'andraikitry ny tsena eny Anosibe ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala, namantatra ireo olana misy ity farany... ♦ Miatrika kongresy eto Antananarivo ny sendikan'ny PARAMED SIS FM. Misy hoy izy ireo ny mozana tsindrin'ila ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ireo mpiasa manodina izany ministera izany... ♦ Mampiranty ny tetik'asa sy ny voka-pikarohan'ny mpianatra ao aminy eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely ny sekoly ambony polytechnique eny Vontovorona. Sekoly ambony efa namoaka injeniera maherin'ny 10.000 isa... ♦ Tondraka vokatry ny ora-mikija ny faritra maro any andrefan'i Inde...

♦ Handrotsaka kandidà ben'ny tanàna ao Antanetibe Mahazaza ny FIVOY. Hitondra tohana ho an'ny tantsaha ao amin'ity kaominina ity izy raha toa ka lany Andriamatoa Andriatsoavina Onja Harilala... ♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ilay tetik'asa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy manan-kialofana ka matory amoron-dalana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisan-kina tamin'ny omaly...

Olon'ny vavaka i Jesoa Kristy ary miantso antsika hivavaka matetika. Nivavaka foana izy na inona na inona niseho teo amin'ny fiainany : fanenjehana,  fankahalana, ny fanendrikendrehana, ny fanaratsiana, ny fanamelohana ho faty sns... Amin'ny andro sarotra lalovantsika eo amin'ny fiainana izay mahatonga fahadisoam-panantenana dia aoka isika hivavaka toa an'i Jesoa hoy Papa François. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena, sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ny tetikasa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy mana-kialofana fa matory an-dalana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina...

♦ Ara-dalàna ny didim-panjakàna manaika ny mpifidy handrotsa-bato amin'ny 11 desambra izao noho ny fanapahana avy amin'ny filan-kevi-panjakàna tsy maintsy hanaovana ny fifidianana ben'ny tanàna amin'ity taona ity. Fanazavana nataon'ny mpahay lalàna, Fanahimana Tiaray... ♦ Asa miandry ny governemanta mijoro ankehitriny ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka hoy ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha, Andry Vorisoa... ♦ Ministera miavaka ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina hoy ny Ministra Mara Volamiranty Donna nandritra ny lanonana fandraisana azy tamin'ny fomba ôfisialy nataon'ny mpiasa teny Anosy... ♦ Palestiniana miisa 10 no maty tany avaratr'i Cisjordanie nandritra ny fanafihana alina...

♦ Miandrandra asa mivainga amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala ny mponina hoy ny Fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakàna na ny Ong Tolotsoa... ♦ Nohamafisin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny Sekolim-panjakàna manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana vaovao ity. Tsy mandoa ny ampaham-bola karaman'ireo mpampianatra FRAM tsy mahazo tambin-karama ihany koa ireo ankizy amin'ny fianakaviana marefo... ♦ Mampihantrano dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny filohan'ny repoblika omaly ny delegasiôna avy amin'ny FEM...

Anisan'ny fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny fotoana nanaovana Batemy an'i Jesoa Kristy ; io seho teo amin'ny onin'i Jordany io dia mifandray amin'ny fiovan'i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra. Ny vavaka nataon'i Jesoa teo amin'ny onin'i Jordany dia vavaka samirery. Mazava fa fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny seho nisy tamin'ny Batemin'i Jesoa sy ny fiovany tarehy, ary miaro vavaka ireny... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Miandrandra asa mivaingana amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mponina, hoy ny ONG Tolotsoa. Tsy tokony hirona amin'ny fiatrehana fifidianana ity tompon'andraikitra ity, hoy izy ireo... ♦ Nohamafisin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany, fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana ity... ♦ Mampiantrano ny dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny Filoham-pirenena ny delegasiôna avy amin'ny FEM, mandray anjara amin'ny dinika...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-7. 11-13)

Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo,
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra,
amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray izay Rain’izy rehetra,
ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
Samy manana ny ambaratongany anefa
ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly,
ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho Evanjelista,
ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
mba samy hanana ny fandraharahany avy,
amin’ny fandavorariana ny olona masina,
dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana
amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra,
sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra,
mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5

Manerana ny tany rehetra ny feony.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Andeha hanaraka Ahy ianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe i Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka
tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana itý Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo,
ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:

‘Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona’;

fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 15, 12-20)

Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy dia foana ny finoanareo.

Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan-ko velona?
Raha tsy misy ny fitsanganan-ko velona, na dia i Kristy aza tsy nitsangan-ko velona;
ary raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy,
dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo!
Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga
ny amin’Andriamanitra ho nanangana an’i Kristy ho velona,
nefa tsy natsangany Izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty.
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy;
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 16, 1. 6-7. 8b sy 15

Izaho, ry Tompo, hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.

Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ataovy re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!

Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo
an’izay mifefy amin’ny tananao!

Ambeno toy ny anakandriamaso aho,
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao.
Izaho, noho ny fahamarinako, hibanjina ny Tavanao,
hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)

Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy
sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...