• Mbola nametrahan'ireo Eveka namany ny fitokisany ka naveriny ho filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Manohy ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny andrimaso ny FFKM na tsy ho isan'ireo hisahana ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ny 11 desambra 2024, izao aza...
  • Trano 602 tafo no ravan'ny afo tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Distrika Farafangana, rava hatrany amin'ny 98% ny tanàna, maherin'ny 3.000 ireo tra-boina.

  • Mbola voafidy ho Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara i Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava. Niova kosa ny Filoha Lefitra sy ny Sekretera Jeneraly...
  • Tsy handray anjara amin'ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna hatao amin'ny 11 desambra 2024, ny FFKM...
  • Nisokatra androany tamin'ny 2 ora tolakandro ny taom-piotazana letchis amin'ity taona ity. Efa nampoizina fa hihena ny vokatra ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo, noho ny fiovan'ny toetr'andro...

Ny kristianina dia manana ny finoana fa rehefa tapitra ny fiainan'ny nofo dia misy ny fiainan'ny fanahy ao aorian'ny fahafatesana. Tsy avy dia sambatra anefa ny fanahy raha toa ka mbola misy pentina, noho izany tsy maintsy midio. Araka ny lovam-panahy ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy dia misy ny afo fandiovana. Volana novambra isika izao ka ity volana ity dia nantsoina hoe volan'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana. Ilaina araka izany ny mitondra am-bavaka ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry mba hampitony azy ireo sy mba hanampy antsika izay mbola velona ihany koa. Misy ny fizarana sy ny fampianaran'ireo Olomasina sy ny vavaka azo hatao mahakasika izay afo fandiovana izay.

  • Nisy ny fivoriana notarihan'ny Praiministra momba ireo fitaovana mamokatra herinaratra tavela ao Toamasina, hamahàna ny olana misy amin'izao. Nanome fe-potoana hamoahana izany Andriamatoa Ntsay Christiana...
  • Hisokatra anio ny taom-piotazana litchi 2024-2025. Somary nihena io vokatra io ho antsika eto Madagasikara tamin'ity taona ity, noho ny lafiny toetr'andro...
  • Misy teratany vahiny nahazo ny tany rehetra manamorona ny farihin'Andranotapahina. Voaroaka ihany koa ireo mpitrandraka vato madinika an-jatony eny Ambavarano-Ambohidratrimo... 
  • Nivory maika ny ligy arabo sy ny fiaraha-miasan'ny finoana silamo, manoloana ny toe-draharaha iraisam-pirenena, voaresaka ny adin'ny Israelianina any amin'ny faritr'i Gaza sy i Liban.

Ny angovo mifangaro dia fifangaroana loharanon'angovo roa na maromaro. Mety io rano, masoandro na rivotra na solika... Ny angovo avy amin'ny kitay na hazo no be mpampiasa indrindra, avy eo ny angovo avy amin'ny solika raha ny eto Madagasikara. Mbola latsaky 1% ny Malagasy no mampiasa angovo azo havaozina. Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

  • Nihemotra ny fahatongavan'ireo biletà tokana sy ireo antontan-taratasy saropady hampiasaina amin'ny fifidianana. Tsy tonga omaly ny fiaramanidina tokony hitondra izany...
  • Mitaky ny mangarahara amin'ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2025, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena CCOC... Namoaka fanambarana izy ireo omaly...
  • Mety hisy andro ratsy hiforona any afovoan'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...

  • Mitaky ny mangarahara amin'ny zo ananan'ny olom-pirenena hahazo vaovao sy hiady hevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana 2025, ny CCOC...
  • Mety hisy andro ratsy hiforona any afovoan'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vinavinan'ny Météo...
  • Tsy afa-misaraka fa mifameno ny fanabeazana sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco...

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

♦ Tsy hanakana ny fizoran'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM, raha nanao fanambarana. Havadika ho lalana hiarovana ny firenena izany hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hamerenana ny vola nesorina tamin'ny tambin-karamany hividianana 4x4 ireo solombavambahoaka sasany. Nampiaka-peo momba io resaka io Andriamatoa Pety Rakotoniaina, avy amin'ny Distrika Ikalamavony... ♦ Mametra-panontaniana amin'ny fitondràna ny Randrana Sendikaly, manoloana ny filazàna fa tsara tantana ny CNaPs ankehitriny. Efa tafaverina ve ireo volan'ny mpiasa nampindramina tao, ho ity vondrona sendikà ity?... ♦ Nitrangàna horohoron-tany in-droa misesy tany amin'ny faritra atsimon'i Cuba omaly...

♦ Nofaranana omaly ny fankalazàna ny jobily faha-50 taona niorenan'ny Ekipa "Ankalazao ny Tompo"...  ♦ Tsy hisy intsony ny delestazy eto Antananarivo afaka herintaona. Nanazava ny zava-misy sy nitondra ireo vahaolana hamahàna izany ny filoham-pirenena omaly, tao amin'ny haino aman-jerim-panjakàna...  ♦  Polisy miisa 4 eo anivon'ny FIP namita iraka no notazomin'ny fokonolona ankeriny tany amin'ny distrikan'i Sakaraha. Nisy olona roa maty, vokatry ny fifandonana tamin'ity raharaha ity... ♦  Olona 30 farafahakeliny no namoy ny ainy tatsy Mozambika, vokatry ny savorovoro nateraky ny famoahana voka-pifidianana. Raikitra ny fihetseham-bahoaka hanoherana izany...

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 4-12)

Nampijaly ny mponina tetý ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.

Izao no nambara tamiko, izaho Joany:

Indreo misy vavolombelona roa; izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa,
izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.
Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo,
dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony,
ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo
mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany;
sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy,
ka mahova azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Ary rahefa vita ny fanambaràn’izy ireo,
dia hiady amin’ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa,
ka haharesy azy sy hahafaty azy;
ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe
izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta,
eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana.
Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana
no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan’andro sy tapany,
fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.
Hifaly ny mponina etý ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo,
hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo,
fa nampijaly ny mponina tetý an-tany ireo mpaminany roa ireo.

Nony afaka hateloana sy tapany anefa,
dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo,
ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.
Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe:

“Miakara atý.”

Dia niakatra any an-danitra tao anatin’ny rahona,
sy teo anatrehan’ny fahavalony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10

Hisaorana anie ny Tompo vatolampiko.

Isaorana
ny Tompo vatolampiko,
Ilay nampianatra ny tanako hamely,
ny sandriko hiady!

Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy,
fiarovana-avo ho ahy sy Mpanafaka ahy.
Ilay ampinga sy aroko,
mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!

Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao!
Valiha tory folo no iantsàko Anao!
Ianao Ilay manome fandresena ny Mpanjaka,
sy manafaka an’i Davida mpanomponao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:
‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’
Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”

Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 10, 8-11)

Noraisiko ny boky dia nateliko.

Izaho Joany dia nandre feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tanan’ilay anjely
mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.”

Dia nankany amin’ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky,
ka hoy ny navaliny ahy:

“Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao,
nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.”

Noraisiko ny boky teny an-tanan’itý anjely, dia nateliko avokoa,
ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako,
fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.
Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe:

“Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa
no tsy maintsy mbola haminanianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131

Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao,
ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely!

Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay Mandrakizay:
Izy no fifalifalian’ny foko!
Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny baikonao no mahaliana ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Ataonareo zohin’ny mpangalatra ny tranon’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”

Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...