Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 18-25)
Ry kristianina havana, fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,
fa ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra
izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana,
sy efa nilatsa-tenany tamin’izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy,
dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
fa efa nateraka indray ianareo,
tsy amin’ny voa mety lò, fa amin’ny voa tsy mety lò,
dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
“Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra,
ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:
nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;
fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay.”
Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna.
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely.
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)
Tamin’izany andro izany,
nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana,
ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy.
Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:
“Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily;
dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny,
fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.”
Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.”
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao,
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy:
“Zakanay.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa
dia tsy ahy ny hanome izany,
fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.”
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo,
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 29 mey izao ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nandritra ny fankalazana ny alahadin'ny Trinité Masina omaly no nanambaran'ny Vikera Jeneraly Mompera Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste izany... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanefa ny adidiny hifidy koa ny SAFIDY. Nisy ny hetsika nataon'izy ireo ny sabotsy lasa teo... ♦ Mahatsikaritra fadikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra ny KMF/Cnoe. Tsy mety hoy izy ireo ny fiandaniana amin'ny vondron'antoko...
Ry tanora ny fanalan-jaza dia fahotana mahafaty satria famonoana olona. Tsarovy fa sarobidy ny aina ary an'Andriamanitra irery ihany. Ny tsaika ao ambohoka dia efa olombelona tokoa, miaina ka tsy azo vonoina noho ny haitraitra fotsiny. Ny fanalan-jaza dia mitarika fikorontanana samihafa eo amin'ny zazavavy na ara-tsaina na ara-batana izay mety hanelingelina azy mandritra ny fiainany. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Tsy mitovy amin'ny fahazoan'ny olona ny atao hoe "Fahantrana" ny famaritan'ny Baiboly ny fahantrana. Amin'ny Soratra Masina, sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan'ny Lanitra ary izy handova ny tany ; ny fahantrana eto dia ny tsy fifikirana amin'ny haren'ny tany, fihendahana amin'ny aren'izao tontolo izao. Ny fahantrana dia mifamatotra amin'ny fanetrentena, fihavanana sy fiombonana. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦ Tsy hitondra vahaolana ho an'ny firenena ny fifampiresahana amin'ny sadec hoy ny MFM... ♦ Mandray anjara mavitrika amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana ny SAFIDY... ♦ Manohana ny tanora mpandraharaha ny orinasa Ambatovy... ♦ Mitokona ireo mpiasa mivondrona ao amin'ny sendika mpanara-maso ny sidina sy ny habakabaka any Frantsa... ♦ Mpianatra miisa 16 manohana ny vahoaka Palestiniana amin'ny ady hifanandrinany amin'i Israël, mivondrona ao amin'ny fikambanana OA 4P no voasambotra ny alakamisy teo...
Ny hatavezana dia sokajiana ho aretina na soritr'aretina, izay hanaovana tatitra any amin'ny Ministeran'ny Fahasalana isam-bolana ; izy ity dia fiangonana tavy mihoatra ny ara-pahasalamana amin'ny faritry ny vatana. Ny tavy "tissu adipeux" dia miaro ny olona amin'ny dona sy ny mitazona hafanana amin'ny vatana. Ny antony mampatavy : miihinana sakafo matavy anefa tsy ampy fihetseham-batana, toy izany koa ny siramamy, hitakitana, fanafody... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...
♦ Nidina 39% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza any amin'ireo faritra telo niasan'ny tetik'asa PASAN SAHAZA... ♦ Maro ireo herisetra sy tranga tsy fanarahan-dalàna amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao hoy ny antoko MFM... ♦ Hanamafy ny hetsika fampahafantarana sy fanabeazana mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey izao ny SAFIDY. Hisy hetsika anio manerana ny faritra 23.... ♦ Any Nouvelle Calédonie dia nisy olona iray maty omaly, vokatry ny tifitry ny pôlisy tany DAMBEA, faritra avaratr'i Noumea renivohitra... ♦ Takalonaina telo notanan'ny HAMAS no hita faty tany amin'ny tonelina, tany Jabalia any amin'ny faritra avaratr'i Gaza
♦ Nidina 39% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza any amin'ireo faritra telo niasan'ny tetik'asa PASAN SAHAZA... ♦ Maro ireo herisetra sy tranga tsy fanarahan-dalàna amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao hoy ny antoko MFM... ♦ Hanamafy ny hetsika fampahafantarana sy fanabeazana mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey izao ny SAFIDY. Hisy hetsika anio manerana ny faritra 23.... ♦ Any Nouvelle Calédonie dia nisy olona iray maty omaly, vokatry ny tifitry ny pôlisy tany DAMBEA, faritra avaratr'i Noumea renivohitra... ♦ Takalonaina telo notanan'ny HAMAS no hita faty tany amin'ny tonelina, tany Jabalia any amin'ny faritra avaratr'i Gaza
Maro ny hevi-diso voarain'ny tanora momba ny firaisana ara-nofo, indrindra mialohan'ny fanambadiana : hevi-diso ho an'ny vehivavy ny hoe tokony hanao firaisam-batana ny zazavavy raha tsy te ho momba rehefa lehibe ; tsy mitombina mihitsy ny hoe tokony hampiasàna ny taovam-pananahana mba hitombo hery. Ny lalao mikasika ny filàn'ny nofo dia fahotana satria milalao aina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Ireny kilalaon'ny nofo hahazoam-pahafinaretana ireny dia mihazona izay manao azy ho zaza saina lava satria araka ny efa voalazatsika ihany, ny atao hoe olon-dehibe ara-tsaina dia izay afaka mifandray aman'olona ka tsy mihevitra azy ho toy ny fitaovana hahazoana fahafaham-po fotsiny. Ho an'ny Kristiana dia mifanohitra amin'ny fitiavana ny fanaovana kilalaon'ny nofo. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
♦ Tanjona tamin'ny atrikasa natao teny amin'ny Carlton Anosy, ny fampahafantarana ny fivoaran'ny fikarohana momba ny kankana amin'ny fanatsarana ny nofontany sy ny fampitomboana ny vokatra... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny Antaninarenina ny fitaovana entina manamafy ny haitondra ara-tontolo iainana, sy antontan-kevitra ara-tontolo iainana samihafa... ♦ Efa manomboka mahasarika ny Malagasy ny fanolorana fanomezana ho an'ny reny rehefa fetiny, hita taratra izany amin'ny tsenabe mahakasika ny kojakoja sy fitaovana ary fanomezana, amin'izao fetin'ny reny izao...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco