Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 3, 25. 34-43)
Tamin’izany andro izany,
nitsangana i Azariasa, nanao ity fivavahana ity,
ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe:
“Aza dia afoinao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao,
ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
ary aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,
noho ny amin’i Abrahama sakaizanao, sy i Isaaka mpanomponao ary i Israely masinao,
izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra,
sy ny fasika eny amoron-dranomasina.
Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,
sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay.
Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana mpitondra na mpifehy,
na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,
na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.
Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay
amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena,
toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy na zanak’ondry matavy arivo;
aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin’ny fanekenay Anao,
fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.
Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra,
matahotra Anao sy mitady ny tavanao.
Aza atao fola-tana-manondro izahay,
fa ento araka ny hamoram-ponao, sy araka ny haben’ny famindram-ponao!
Vonjeo amin’ny fahagagana ataonao izahay,
ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9)
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola.
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny,
ny ory ampianariny ny lalany.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe:
“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”
Dia hoy i Jesoa taminy :
“Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito,
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany,
mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo,
ka nifona taminy nanao hoe:‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’
Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:‘Aloavy ny trosako any aminao.’
Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina,
ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe:‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko;
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
4 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)
3 marsa 2024 —Alahady Fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)
♦ Nilaza hanolotra kandidà ihany koa ny Collectif an'ny Malagasy, tao aorian'ny fahavakisan'ny vondron'ny mpanohitra ho roa, ny herinandro teo... ♦ Nampifaly avanjana ny vahoakan'i Fianarantsoa ny UPAR any an-toerana omaly. Niteraka resa-be amin'ny tambajotran-tserasera ny fifamalian'ireo mpikambana teny ambiny sehatra... ♦ Niravona ny disadisa momba ny fizarana rano tany amin'ny Lemak'i Dabaraha hatramin'izay. Resaka fanararaotana pôlitika no nahatonga izany teo, raha ny fanazavan'ny mponina avy any an-toerana...
Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny eny amin’ny tany ambany,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro:
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra;
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro faha fito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 20, 1-3. 7-8. 12-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 18, 8. 9. 10. 11
Ny lalan’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy:
ny fo falifaliany;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo marina,
samy rariny avokoa.
Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa;
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 22-25)
Ry kristianina havana,
ny Jody mila famantarana;
ny Jentily mitady fahendrena;
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso,
na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)
Akaiky ny Pakan’ny Jody,
ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala:
“Esory eto ireto,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.
Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:
Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.
Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe:
“Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?”
Dia namaly i Jesoa nanao hoe:
“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.
Ka hoy ny Jody:
“Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity
ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”.
Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka,
dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy,
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy,
fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola tsy levona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Eleanor. Tombanana hitondra rotsak'orana amin'iny morontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanan'ny nosy izy, manomboka anio alatsinainy... ♦ Hiatrika ny Andron'ny Sekoly, ny mpianatra rehetra amin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika "cocaïne", 64 kilao sy 32 grama tany Toamasina. Olona telo no nosamborin'ny Pôlisy amin'izao raharaha izao. Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy izy ireo...
♦ Nizara ho roa ny vondron'ny kandidà 11. Ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihana ny vondrona no antony, hoy Andriamatoa Marc Ravlomanana, mpitarika ny Vovonana Firaisankina... ♦ Mila mampiasa vola eo amin'ny lafiny maha olona sy mampiroborobo ny famoroanana asa i Madagasikara, raha te hampihena ny tahan'ny fahantrana ao aminy, hoy ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Mitohy ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nijoroan'ny Antilin'i Madagasikara. Nitohy tamin'ny fambolen-kazo izany androany...
♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 18 izay ahitana teratany Sinoa 4, ankoatra ireo nahazo fahafahana vonjimaika sy ireo mbola eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana. Io no didim-pitsarana momba ireo olona 169 voatazona noho ny fanjonoana an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles... ♦ Hanolotra kandidà iraisana amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny Vovonana Firaisankina, izay najoron'ireo ampahany tamin'ny vondron'ireo kandidà filoham-pirenena farany teo...
Efa hatramin'ny ela ny Eglizy katôlika no nandray anjara tamin'ny fisorohana ny fampiasana zava-mahadomelina, indrindra ho an'ny tanora. Ny olana ateraky ny zava-mahadomelina diamiantraika amin'ny olona maro, fianakaviana ary mpiara-monina ankehitriny. Tokony hiara-hiasa ireto andry ireto hisorohana ny fandraisana ny zava-mahadomelina : ny fianakaviana, ny sekoly, ny Fiangonana ary ny Fanjakàna... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Lasa tsizarizary sy mikorontana ny fiainan'ny olona amin'ny tokantrano iray noho ny toaka. Mety hiteraka herisetra toy ny herisetra ara-nofo, famonoan-tena ary famonoana olona mihitsy aza ny fisotroana toaka. Ny vehivavy bevohoka dia tsy tokony hisotro toaka mihitsy na dia kely aza, satria mandalo amin'ny tranon-jaza ny toaka sotroiny ka miditra mivantana amin'ny "fœtus"... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny Eokaristia dia sakramenta misy ny tenan'i Jesoa manontolo : ny ra, ny vatany sy ny fanahiny ary ny fomban'Andriamanitra ao aminy, takon'ny endriky ny mofo sy ny divay. Tamin'ny Alakamisy Masina mialohan'ny nijaliany i Jesoa no namorona ny Eokaristia. Rehefa tonga vatana aman-dran'i Jesoa ny Mofo sy ny divay dia niteny i Jesoa mba hanohizan'ny mpianany izany, Rehefa vita ny fanamasinana fa ny endriky ny mofo sy ny divay sisa no hita fa efa vatana sy ran'i Jesoa iny. Ny mandray Eokoristia dia mihinana ny vatana sy ny ran'i Jesoa manontolo. Izay tsara fiomanana mialohan'ny Eokaristia no mahazo ny fahasoavana, izay noho tokony hadio amin'ny alalan'ny penintasy, fifadiana hanina ora iray alohan'ny fandraisana...
Anisan'ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana toaka ihany ko a ny familiana ny rariny ananan'ny hafa fa indrindra ny madinika. Mahatonga fisarahana amin'Andriamanitra ny fisotroana toaka satria lasa tsy mahita fotoana andehanana mivavaka intsony na tsy manisy lanjany ara-panahy intsony ilay olona, nefa tsarovy fa rehefa misotro toaka dia manazimba ny tranon'Andriamanitra, izay ny tenantsika... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco