♦ Hoampiasaina eny amin'ny fitsaràna Anosy manomboka izao ny diary fanarahan-draharaha ho fanampiana ny olom-pirenena manan-draharaha atao eny. Nidina teny an-toerana niantsafa tamin'ireo manan-draharaha ireo ny ministry ny fitsaràna Randriamanantena Landy Mbolatiana... ♦ Nosoniavina androany teny Ankatso ny fifanarahanam-piaraha-miasa eo amin'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo rafitry ny firaisamonim-pirenena anatanterahana ny tetik'asa IRF Tanoran'ny oniversite... Tetik'asa hisorohana ny fifandirana eny amin'ny tontolon'ny anjerimanontolo... ♦ Nanomboka androany ny atrik'asa fanombohana amin'ny fombaé ôfisialy ny fanavaozana ny paik'ady sy ny drafitr'asam-pirenena mahakasika ny karazan-java-mananaina...

Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no tena antoky ny fivelaran'ny zanaka. Ny tokony ho fijerin'ny ray aman-dreny ny fampandraisana andraikitra ny zanany any an-tsekoly dia mifototra amin'ny fahafantarana ny lanjan'ny fampandraisan'andraikitra ary vonona hiara-hiasa amin'ny sekoly amin'ny fanohizana ny fanabeazana any an-tokantrano. Fampianarana ny ankizy ny andraikitra omena azy any an-tsekoly...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Maro ny olona no sahirana amin'ny voambolana ampiasaina eny amin'ny sehatry ny fitsarana. Talohan'ny nidiran'ny frantsay teto Madagasikara dia nazava sy mora noraisina ny didy navoakan'ny fitsarana malagasy, izay mifanaraka amin'ny rafi-pisainana sy rafi-piaraha-monina nisy. Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny teny frantsay no teny nampiasaina tamin'ny tontolon'ny fitsarana, ary niova araka izany ihany koa ny firafitry ny didy ; vokany nihasarotra ny fahazoana ny teny voarakitra amin'ny didy isan-karazany. Ny fahasarotan'ny voambolana ao anatin'ny didy sy eo amin'ny sehatry ny fitsarana dia mba hiazomana ny fahefany araka ilay voalaza hoe "teny baiko"... 

♦ Lasa rivo-doza nosalorana ny anarana "Eléonore" ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe Indiana. Arahitsika eto Madagasikara akaiky ny fivoarany, indrindra amin'ny faran'ny herinandro... ♦ Mitaraina ny Vovonan'ireo sekoly tsy miankina fa nampandoavina vola izy ireo, hikarakaràna ny fisoratana anarana ho an'ny fanadinana CEPE sy BEPC... ♦ Naaton'ny OMC nasiônaly ny fitrandrahana "concombre de mer" any amin'ny tapany avaratry ny nosy, noho izy ireo ahiana ho lany tamingana. Misy ny fanazavàna entin'ny Ministry ny jona sy ny toe-karena manga... ♦ Olona 50 isa any ho any ireo olona voarohirohy tamin'ny famonoana nahafaty ny filoha Haisiana, Jovenel Moise ny volana jolay 2021...

♦ Misy fiforonana andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana, ka ahiana hivadika ho rivo-doza. Tany amin'ny 680 km atsinanan'i Sambava no nisy ny foibeny omaly hariva... ♦ Nanondrana volamena tamin'ny fomba ara-dalàna indray i Madagasikara nanomboka omaly . Bolongam-bolamena 2 kg no nalefa voalohany any ivelany, taorian'ny fandalovany "Guichet Unique"... ♦ Olona 30 farafahakeliny no nosamborina sy atao fanadihadiana, taorian'ilay raharahan'ny Zandary sy ny Fokonolona tany Ankazomiriotra. Nidina tany an-toerana ny ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Olona 150 farafahakeliny no voaheloka an-tranomaizina 14 andro any Rosia, noho ny fanaovan'izy ireo hetsi-pahatsiarovana an'i Alexei Navalny...

Misy voka-dratsy miantraika amin'ny vatana ny fandraisana zava-mahadomelina : miharatsy ny torimaso, aretin'andoho, miadana ny fofonaina, maloiloy sy te handoa, mora tezitra kely , mahatsapa mavesatra eo amin'ny sandry sy ny tongotra, mangidihidy ny vatana na mahatsapa mafana ny hoditra. Rehefa midoroka loa ny rôrô dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny vatana sy ny saina... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Misy fiforonana andro ratsy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, any amin'ny 680 km atsinanan'i Sambava no misy ny foibeny, ny hariva teo... ♦ Nanondrana volamena amin'ny fomba ara-dalana indray i Madagasikara, ka bolongam-bolamena 2 kg no nalefa voalohany androany... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany manoloana ny fitifirana ilay Ben'ny Tanàna tao Tsimafana, Andriamatoa Saory Christian, zanak'i Belo Amoron'i Tsiribihina...

♦ Tontosa ny 15 hatramin'ny 17 febroary 2024, ny Symposium mifantoka amin'ny hoe ny vavaka manokana sy ny vavaka iombonana, tao amin'ny Grand Séminaire tao Moramanga... ♦ Nosokafana ny alahady 18 febroary 2024, ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny EKAR Masindahy Louis de Gonzague, Ankadisoa. Nifanentana ho amin'ny fiatrehana izany avokoa ny kristianina rehetra tao an-toerana... ♦ Nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, no nampitandreman'ny Papa François ny mpino rehetra, ny amin'ireo bibidian'ny fanahy...

♦ Miantso an'ireo antoko politika nanohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritr ny fifidianana farany teo hanambatra ny heriny anatin'ny vondrona iray ny antoko Freedom. Famondronan-kery iatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny eny anivon'ny kaominina... ♦ Hisy ny fanadiovana ny asam-panjakàna hoy ny ministra tompon'andraikitra. Hisy amin'ireo tsy manaja ny fitsipika sy ny tandrohasina maha-mpiasam-panjakàna no hiakatra filan-kevi-pifehezana saingy tsy voatery hiafara amin'ny fandroahana izany... ♦ Nanolotra zanak'akoho 1.500 isa sy toho-tantely manara-penitra ho an'ny fikambanana AFF ao amin'ny kaominina Ambasimbe, Faritra Atsinanana ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana...

♦ Natomboka omaly ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny Fiangonana Masindahy Louis de Gonzague ao Ankadisoa Distrikan'i Mahabo ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny 23 jona izao no ivon'ny fankalazana... ♦ Tanora maherin'ny 160.000 isa no hofanina ao anatin'ny 100 andro anatin'ny hetsika nasiônaly ho an'ny tantsoroka ho an'ny famoronan'asa mendrika, ny torolalana arak'asa ho an'ny tanora. Isan'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny ministeran'ny asam-panjakàna, ny asa ary ny lalàna sôsialy ny Don Bosco Madagasikara... ♦ Tantsaha 57.000 isa any amn'ny Faritra 20 manerana ny nosy no nahazo hanam-pamokarana hiatrehana ny taom-pamokarana nanomboka ny voalohan'ny volana novambra lasa teo...

Ny tanora no tena lasibatr'ity rôrô ity, nefa na ny ankizy 12 taona koa aza efa maro no mandray azy ; ny sasany efa lasa miankindoha tanteraka mihitsy. Maro ny voka-dratsin'ny zava-mahadomelina rôrô : manafika ny atidoha izy ary mahatonga fahafinaretana maharitra 45 segondra, mikorontana ny fomba fisainana, fanina, mety tsy hahatsiaro tena kely sy matetika... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...