♦ Fitaovam-pandanjàna sy famaràna maromaro an'ireo mpivarotra ety Ivato no giazan'ny ministeran'ny varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nahazoana vokatra tsara ny tetik'asa JM CT Jeunesse Malagasy Compétente au Travail, nandritra ny 6 taona niasany teto Madagasikara... ♦ Tokony hampitohy ireo tanan-dehibe hafa manitona mpizahan-tany ny zotram-piaramanidina hataon'ny Fly Emirates fa tsy Antananarivo sy Nosy-be ihany hoy ireo mpandalina eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ♦ Voaheloky ny fitsarana tany New York handoa onitra mitentina 355 tapitrisa Dolara ny filoha Amerikana teo aloha Donald Trump... ♦ Niala tao amin'ny tanànan'i Av Divka faritra Atsinanan'i Ukraine ny tafika Ukraniana...

Ny tsy fahampian-drà dia ny tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra. Ny sela anatin'ny ra dia misy karazany telo : sela mena, sela fotsy, ary ny atao hoe "plaquette". Rehefa tsy ampy ny sela mena anatin'ny ra dia mitarika ny fidinan'ny tahan'ny "oxygène" ao anatin'ny ra sy ny taova manontolo, ary tsy araka ny tokony ho izy ihany koa ny famoahana ny "gaz carbonique". Fambara : hatsatra, reraka, fanina matetika, mangatsiaka ny ratsam-batana, marary andoha matetika... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nazoto nisoratra anarana tao anaty lisitry ny mpifidy ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux Cap Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny Jono, ary hitarina amin'ny Faritra hafa manerana ny Nosy... ♦ Teknisiana sy tantsaha mpampita miisa 20 minadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely nandritra ny telo andro... ♦ Nody mandry omaly tany amin'ny fonja nitazomana azy i Alexei Navalny, mpanohitra ny filoha Rosiana Vladmir Poutine... ♦ Teratany Israeliana roa no maty, enina hafa naratra vokatry ny tifitra nataon'ny Palestiniana iray tany Kiryat Malackhi, 30km miala ny tandavan'i Gaza...

Hoy ny mpamokatra sy mpamarotra khat hoe : tena vola malaky ny khat satria kelikely fotsiny no amidy dia efa vola be. Ho an'ireo mpanjifa azy kosa dia tena fandaniana be no atao amin'ny fanjifana azy. Lafo be ny vidin'ny khat rehefa volana mey ka hatramin'ny volana jolay satria sarotra ny ahitana azy, lafo mihoatra ny vidin'ny sigara. Miteraka fifamaliana ao anati'ny tokantrano ny tsy fananana fahefa-mividy. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Mazoto nisoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy, ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux-Cap, Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny jono, ary hitarina amin'ny faritra hafa manerana ny nosy... ♦ Teknisianina sy tantsaha mpampiatra miisa 20 mianadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely, nandritra ny telo andro...

♦ Hisy fiomam-panahy iombonana ho an'ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly amin'ny Radio Katôlika manerana an'i Madagasikara... ♦ Ny faharetana amin'ny finoana no hery entina miady amin'ny hakamoana sy ny tsy firaharahiana ny fianana anaty, hoy ny Papa François... ♦ Fiarovana ny tontolo iainana no hetsika ataon'ny tanora ao Ghanà ho fiainana ny karemy...

♦ Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana ity ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Mandray ny karine avy any amin'ny Fokontany ny CENI ankehitriny, ary mandika ny anarana ao anaty ordinatera... ♦ Mitohy androany eny amin'ny Lapan'ny Akademia Malagasy, eny Tsimbazaza, amin'ny alalan'ny loabary an-dasy ny hetsiky ny FIMPIMA... ♦ Kaominina miisa telo no voakasiky ny tetikasa fanajariana vaovao atao ao Bas-Mangoky, ka manohitra ny fangalana ny taniny ireo mponina...

♦ Hotanterahana manomboka ny alatsinainy 22 jolay 2024, ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Efa nisokatra ny 13 febroary ary hifarana ny 26 aprily 2024 amin'ny 6 ora hariva, ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina... ♦ Nazoto nanoratra ny anarany teo anivon'ny Fokontany ireo olom-pirenena. Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana febroary ity, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Maro ireo lesoka mila harenina amin'ny fomba fiteny sy fitsipika ary fanoratana ny teny malagasy, hoy ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina...

Mba ahazoana ny "cathinone" anatin'ny khat dia ilaina tsakoina sy alona ao am-bava mandritra ny 3 hatramin'ny 4 ora ny raviny. Raha tsy hohanina mandritra ny 3 andro nanapahana azy ny khat dia miova ny tsirony ary tsy mandaitra loatra intsony. Rehefa mamon'ny khat ny olona iray dia mety ho romodromotra na sorena lava ka tsy mahalala ny tokony hatao intsony. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Nifarana vonjimaika androany, ny fampidirana mpifidy anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nihoatra ny tombana napetraky ny CENI, ny isan'ireo olom-pirenena vaovao voasoratra anaty lisitra... ♦ Mitaky ny hampitsaharana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa Base Toliara, ny firaisan-kinan'ny mponina voakasik'izany... ♦ Mbola mitohy amin'ny toerana maro manerana ny nosy ny rotsak'orana, androany hatramin'ny alahady izao. Faitra maromaro no nahazo fampitandremana avy amin'ny Météo...

Mbola malalaka ny lalam-barotra any ivelany ho an'ny vokatra tantely. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Lalam-pihariana atao laharam-pahamehana ao amin'ilay tetik'asa andiany farany iarahan'ny FFF FAO na ny Farm and Forest Facility sy ny Tranoben'ny Tantsaha ny fiompiana tantely.

Nankalazaina ny 11 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny marary ; nitondra hafatra ny Papa Ray Masina tamin'izany. Ny foto-kevi-dehibe ny hoe fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anatin'ny fiaraha-monina. Koa tsy tsara raha avela irery ny olona, ny mikarakara ny marary dia mikolokolo ny fifandraisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...