♦ Misy ny fanazavan'i tompon'andraikitra momba ny disadisa nisy nandritra ny hetsika nataon'ny UPAR tany Fianarantsoa.. ♦ Nanamafy ny fahavononany hirotsa-kofidiana ho solombavambahoaka ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana Dr Fidy Bariniaina. Lalana iray hahatongavana amin'ny fampandrosoana ity distrika ity hoy izy ny fanomezana fahefana ny eny ifotony mba hamaritra ireo laharam-pahamehana... ♦ Nivoaka ny didim-pitsarana ka niampy 2 taona an-tranomaizina indray ny sazin'i Mbola Rajaonah, noho ny fikasany handositra ny fonja... ♦ Mety hitarika any amin'ny ady lehibe fahatelo ny fikasan'ny tandrefana hampiditra ny tafikany any Ukraine, hoy ny mpitondra tenin'ny masoivohon'i Rosia any Frantsa...

♦ Ho mora amin'ny filohan'ny repoblika am-perinasa ny hanafoana ny antenimieram-pirenena na hahazo ny maro anisa eny Tsimbazaza aza ireo hery ivelan'ny fitondrana, hoy ny antoko Teza... ♦ Fampitàna traikefa amin'ny asa izay tsy mihoatra ny roa taona ihany no fahazoan-dalana omena ireo teratany vahiny hiasa eto Madagasikara, araka ny famerana avy amin'ny ministeran'ny asa... ♦ Tsy misy afatsy ny 13% amin'ny hetra ho an'ny faéndraofana ny fako no voaloa any amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra tamin'ny taon-dasa. Hisy indray ny fikambanana tsy miankina alemana iray hanampy amin'ny fitantanana ny fako...

Raha tiana ny hasitranan'ny olona iray nandray zava-mahadomelina dia ezahina ny famerenana azy any amin'ny fiaraha-monina niaviany, tsy maintsy miara-dia aminy isika. Ny olona notsaboina noho ny fandraisana zava-mahadomelina dia tokony homena hasina hatrany ary tolorana fitiavana. Ny fanilikilihana ny olona avy notsaboina noho ny zava-mahadomelina dia mandatsaka azy indray ao anatin'ny fidorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Hahazo vahana aty afovoa-tany sy ny any afovoany atsinanan'ny nosy ny oram-pahavaratra ato anatin'ny roa andro. Misy ireo fampitandremana avy amin'ny Météo, ka mety hiteraka fikorontanan'ny asa aman-draharaha... ♦ Mety hahazo depiote maro an'isa eny Tsimbazaza ny Vovonana Firaisankina, hoy ny mpanao pôlitika Zakahely Boniface. Mila misokatra amin'ireo mety ho kandidà tsy miankina izy ireo... ♦ Noferana ireo teratany vahiny nomena fanomezan-dalana hiasa eto Madagasikara, mba ho fitsinjovana ny Malagasy. Tsy misy afa-tsy 2.200 izy ireo, ho an'ny taona 2023, raha ny tarehimariky ny EDBM...

♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy, omaly, ny tranokalam-pifandraisana "Fitsaràna Valio ny Tarainako". Tranokala andraisana ny fitarainan'ny vahoaka momba ny raharaham-panjakàna sy ny zava-misy eny anivon'ny fonja... ♦ Tsy misy afatsy ny fampitomboana ny famokarana sy ny fanenàna ny fanafaran'entana avy an ivelany no hampamari-toerana ny vola malagasy hoy ny filohan'ny FIVMPAMA... ♦ Tsy hamaha olana amin'ny firongatry ny fanolanana ny zaza tsy ampy taona etsy sy eroa hoy Ramatoa Isabelle Delatre, lehiben'ny delegasiônan'ny vondrona eraopeana ny famosirana ara-tsimika... ♦ Mety hisy ny tsirim-panantenana hihatoan'ny ady eo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana hoy ny filoha amerikana Joe Biden...

♦ Mirongatra tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana eny amin'ny kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano. Nandray fepetra ny Ben'ny Tanàna ka hisy ny mpitandro filaminana hanara-maso ireo olona mampiahiahy... ♦ Miakatra ny tahan'ny vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Manohana amin'ny fanaraha-maso sy mitsabo ny vehivavy tratran'izany ny vondrona Akbaraly... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka sy ben'ny tanàna amin'ity taona ity ny antoko AREMA... ♦ Maherin'ny 30.000 ny miaramila Ukreniana maty nandritra ny ady natrehany tamin'i Rosia tao anatin'ny 2 taona...

Nisy toromarika telo narahin'ny Fiangonana katôlika niadiana tamin'ny zava-mahadomelina : ny fisorohana mialoha, ny fiarahan-dia amin'ireo olona iharan'ny loza vokatry ny zava-mahadomelina sy fanohanana ny pôlitikan'ny governemanta entina hiatrehana ity zava-mahadomelina ity. Ny fampahafantarana ny olona ny momba ny zava-mahadomelina misy sy ny voka-dratsiny dia isan'ireo fisorohana... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Miaina anaty tebiteby tsy antoandro tsy alina, ny mponina ao amin'ny fokontany maromaro manodidina ny Kaominina Alasora tato ho ato. Nandray fepetra noho izany ny Ben'ny Tanàna... ♦ Tontosa ny fivoriamben'ny Vaomieran'asa misahana ny fahasalamana, na ny CES, izay eo ambany fiahian'ny Fivondronamben'ny Eveka. Norafetina mandritra izany ny drafitrasa ho an'ity taona ity... ♦ Hanome tanana amin'ny fananganana ny toha-drano hahazoana herinaratra any Volobe sy Sahofika, ny Vondrona Eorôpeanina...

♦ Nanentana ireo tanora mandranto fianarana eny amin'ny Anjerimanontolo ny Arsevekan'Antsiranana, nandritra ny fitsidihany ny Aomôneria Katôlikan'ny Oniversiten'Antsiranana omaly, fa voafetra ny lôjikan'izao tontolo izao... ♦ Nanatanteraka fihaonambe ny Garde d'Honneur-n'ny Fo Masin'i Jesoa, tao amin'ny Diôsezin'i Toamasiana, nanomboka ny 23 hatramin'ny 25 febroary 2024... ♦ Ezahana ho tanterahana isan-taona ny hetsika fambolen-kazo, ho an'ny Kôlejy Masina Misely Itaosy...

9 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

8 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

7 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...