♦ Namoaka ny isa azo sy laharana misy an'ireo firenena eran-tany momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Transparency International. Any amin'ny laharana faha-145 amin'ny firenena 180 no misy an'i Madagasikara... ♦ Mbola tetezamita mitanila ny fitondrana misy ankehitriny hoy ny Cellule de Crise "Diovy i Madagasikara". Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ho avy eo izy ireo araka ny tapaky ny mpikambana... ♦ Hajanona amin'izay hoy ny governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ny fanariana fako eny Anosipatrana. Efa miverina amin'ny laoniny mantsy ny fidirana amin'ny fanarina fako eny Andralanitra... ♦ Nomelohan'ny fitsaràna any Pakistan 10 taona an-tranomaizina ny Praiministra teo aloha Imran Khan...

♦ Miantso ny Governemanta, hidinika amin'ny rehetra momba ny fanatanterahana fifidianana, ny Vovonana Gasy Leo. Kajikajy pôlitika ny hampiarahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, hoy izy ireo... ♦ Mitaky amin'ny CENI, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana, ny antoko Humaniste Ecologique. Ahiana, hoy ity antoko ity, fa sao miandry baiko avy amin'ny fitondrana ny CENI, vao hamoaka ireo tetiandro... ♦ Ahiana hisy fiforonana rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hisy rindrin-drahona handalo any amin'ny ilany atsimo atsinanan'ny nosy, manomboka rahampitso...

♦ Tsy zava-baovao teto amin'ny firenena ny fikarakarana fifidianana roa samy hafa, hoy ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara... ♦ Olana iray mbola mitoetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin'izao, ny fanalana fako... ♦ Nisy indray lalana tapaka, vokatry ny rotsak'orana, any amin'ny Faritra Sava, eo amin'ny PK 405 amin'ny Lalam-pirenena faha-5A...

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...

♦ Vonona handray anjara amin'izay fifidianana manaraka eo ny antoko TIM, ary manentana ny mpanara-dia azy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Miisa 9 ireo olona namoy ny ainy, 5 tsy hita popoka ary maherin'ny 9400 ireo tra-boina noho ny fisian'ny rotsak'orana be loatra manerana ny nosy, nanomboka ny 16 janoary, hoy ny BNGRC... ♦ Hafainganina ny dingana rehetra amin'ny fampisitrahana ireo Malagasy am-pielezana, ny pasipaoro, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...

♦ Tontosa omaly alahady 28 janoary 2024, ny fanamasinana sy ny fametrahana ho Evekan'i Tolagnaro, an'i Mgr Razafitsimialona Luc Olivier... ♦ Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana manomboka androany ireo Antenimiera mpanao lalàna... ♦ Avotra teo am-pelatanan'ireo dahalo naka an-keriny azy, ireo vehivavy telo mianaka tany amin'ny Fokontany Androva Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitirny, ny Nonce Apostolique, Mgr Tomas Grysa, hanatrika ny Sorona Masina fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, amin'ny alahady izao... ♦ Velaran-tany mirefy 75.000 Ha, no kendrena ho volena zanakazo amin'ity taona ity. Nanomboka androany tamin'ny fomba ôfisialy teny Imerintsiatosika, ny taom-pambolen-kazo 2024... ♦ Mbola tsy votsotra ireo takalon'aina telo vavy any amin'ny Kaominina Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitriny, ny Nonce Apostolique sy ireo Eveka avy amin'ny Diôsezy samihafa avy eto Madagasikara... ♦ Manolotra ny teny fankasitrahana ho antsika mianakavy nanotrona sy nanohana azy ireo, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, ny fianakaviamben'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nofaranana tamin'ny 20 sy 21 janoary 2024 ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny EKAR Trinite Masina Anosimasina, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

♦ Foana avokoa ny fampitandremana momba ny fahabetsahan'ny rotsak'orana, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo. Mbola ho mafy anefa ny fitsokan'ny rivotra any amin'ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana... ♦ Tsy ampy antsasa-manilan'ireo infirmiera ara-dalàna eto Madagasikara, no misoratra ao amin'ny Holafitra. Omena roa volana ireo infirmiera rehetra ara-dalàna, hisoratra anarana... ♦ Milaza ho misy mandrahona ny hisambotra, Andriamatoa Rabevahiny Elia, tao aorian'ny fanehoan-kevitra nentiny amin'ny tokony hanafahana ireo olona telo nofonjaina, noho ny raharaha Bas-Mangoky...

♦ “Mpivahin'ny Fanantenana”, io no lohahevitry ny Taon-jobily 2025, eo anivon'ny Eglizy Katôlika maneran-tany. Mitondra fanazavana ny ekipa mpanomana ho an'ny eto Madagasikara... ♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy anio ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Ankoatra ny eny Imerintsiatosika, hisy koa ny hetsika isam-paritra... ♦ Manohy ny asany vonjy maika mandra-pisian'ny fifidianana ireo handimby azy, ny Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina Monisipaly, araka ny fanapahan'ny HCC...

♦ Nampahafantarina androany ny fiomanan'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, araka ny toromariky ny Papa François... ♦ Manohy ny asany vonjy maika, mandrapaha voafidy izay handimby azy, ireo Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina monisipaly, izay tapitra fe-potoam-piasana ankehitriny. Namoaka izany fanapahana izany ny HCC, androany... ♦ Namoizana ain'olona ny firotsahanan'ny orana tsy an-kiato any amin'ny Faritra Diana. Tombanana mbola hitohy hatramin'ny rahampitso ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratry ny nosy, hoy ny Météo...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 3, 4-13)

Omeo saina mahiratra ny mpanomponao, hahafahany mitsara ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany:
Nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza.
Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io.
Ary ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina , tany Gabaôna,
ka hoy Andriamanitra taminy:

“Angataho izay tianao homeko anao.”

Dia hoy ny navalin’i Salômôna:

“Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao,
araka ny nandehanany teo anatrehanao,
tamin’ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao;
notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany,
ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy,
araka izao hita izao.
Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitra ô,
efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao;
izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao,
vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina,
fa maro be loatra.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao hitsarako ny vahoakanao,
hanavahako ny soa sy ny ratsy.
Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoaka maro be izao.”

Nankasitrahan’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy.
Ka hoy Andriamanitra taminy:

“Noho ianao nangataka izany zavatra izany,
ka tsy nangataka andro maro ho anao,
sy tsy nangataka harena ho anao,
ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao;
fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
dia indro, tanterahiko ny teninao fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao,
ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao,
ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao.
Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza,
dia harena amam-boninahitra hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza,
amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 9-10. 11-12. 13-14

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny Fitsipikao.

Fomba ahoana no hitanan’ny zatovo ny hadiovan-toetra?
Dia ny fitandremana ny Teninao!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.

Raketiko ato am-poko ny didinao
mba tsy hanotako aminao.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!

Tanisain’ny molotro avokoa ny sata rehetra
voalazan’ny vavanao!
Ny lalan’ny fanambaranao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo,
ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...