Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 61, 1-2a. 10-11)
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
satria voahosotry ny Tompo aho;
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,
hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;
hampandre amin’ny babo fa afaka, sy ny ao an-tranomaizina
fa alefa hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo.
Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy,
no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiderana,
eo anatrehan’ny firenena rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Lk. 1, 46-48. 49-50. 53-54
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny aiko:
fa nojereny ity ankizivaviny tsinontsinona,
ka hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho.
Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa,
ilay antsoina hoe “Ny Masina”,
ilay tia an’izay matahotra azy
amin’ny taona mifandimby.
Ireo noana vokisany soa,
ny manana ataony mody maina.
Nanarina an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsaroany ny teniny tamin’ny razantsika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 16-24)
Ry kristianina havana,
mifalia mandrakariva;
mivavaha lalandava;
ary misaora amin’ny zavatra rehetra,
fa izany no sitra-pon’Andriamanitra,
ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aza mamono ny Fanahy;
aza manamavo ny faminaniana,
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;
fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie
hanamasina ny tenanareo manontolo,
ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo
sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Tsy mivadika Ilay niantso anareo,
ka Izy ihany koa no hanefa izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)
Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana
fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.
Ary izao no nambaran’i Joany
raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema,
hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe:
“Iza moa Ianao?”
Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe:
“Tsy i Kristy aho”.
Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe:
“Iza àry?
i Elia va ianao?”
Fa hoy izy:
“Tsy izy aho”.
Ary hoy ihany izy ireo:
“Ilay mpaminany va ianao?”
Fa hoy ny navaliny:
“Tsia”.
Ka hoy izy ireo taminy:
“Iza àry ianao,
mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay?
Ataonao ho iza ny tenanao?”
Dia hoy izy:
“Izaho no feo miantso any an’efitra hoe:
Ahitsio ny lalan’ny Tompo,
araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”.
Ary Farisianina ireo iraka ireo.
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe:
“Nahoana àry ianao no manao batemy
raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?”
Ka novalian’i Joany hoe:
“Izaho manao batemy amin’ny rano;
fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,
dia Ilay avy ao aoriako,
ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho”.
Tany Betania andafin’i Jordany,
izay nanaovan’i Joany batemy,
no natao izany zavatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo : amboary ny lalan'ny Tompo ; ahitsiho ny alehany dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. Hoy i Izaia hoe : misava lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorenana arabe any amin'ny tany lavavolo ho an'Andriamanitra, ao ny lohasaha rehetra hasandratra ; izany dia taratry ny fiomanana amin'ny Fiavian'ny Tompo, fa eto izy dia mihendrika sarin-teny. Ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo dia hanomezan'Andriamanitra ny olon-drehetra ny fankaherezana...
♦ Nankalazaina androany ny fetin’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin’ny fototra, nandritra izany no namoahana ny andiany Avotra tao amin’ny Centre d’Autonomisation des Femmes, iandraiketan’ny fikambanan’ny Masera FMA Ampasanimalo… ♦ Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona teny amin’ny Episcopat Ambatoroka ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Eokomenisima eto Madagasikara ny 06 sy 07 desambra 2023… ♦ Nitondra ny tenin’ireo tena marefo tsy afaka nanatrika ny COP 28, ny sampana katôlika…
Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 35, 1-10)
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana,
famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.”
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra,
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia
hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Hisy arabe, hisy lalana,
izay hatao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao
ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray;
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy,
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo
ny vonjy honenan’ny lazany ety amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany.
Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa,
dia nipetraka nanodidina Azy teo koa
ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany
avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea
mbamin’i Jerosalema,
ary tao aminy hanasitranany ny marary
ny herin’ny Tompo.
Dia indro nisy olona
nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany
ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo
noho ny habetsahan’ny olona,
ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy
ary nanesorana ny tafo
dia nampidininy teo afovoan’ny olona
teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe:
“Ralehilahy, voavela ny helokao.”
Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
dia nisaintsaina anakampo nanao hoe:
“Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity?
Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.”
Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe:
Voavela ny helokao;
sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana
hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona,
dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Niaraka tamin’izay
dia nitsangana teo imason’ny olona izy,
ary nitondra ny farafara nandriany
ka lasa nody any an-tranony
nankalaza an’Andriamanitra.
Nitolagaga avokoa izy rehetra
ka sady nankalaza an’Andriamanitra
no raiki-tahotra nanao hoe:
“Nahita zava-mahagaga isika androany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 40, 1-5. 9-11)
Hoy ny Andriamanitrareo:
“Ampionony, ampionony ny vahoakako”.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
“Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”.
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao
izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy,
ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe:
“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy?
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pi. 3, 8-14)
Ry hava-malala,
izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo:
amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona,
ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany,
fa miandry anareo amim-pandeferana Izy,
mba tsy hisy very na dia iray aza,
fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo,
ary amin’izany andro izany,
ny lanitra hirimorimo mankarenina,
ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo,
ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao,
ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo,
izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Eny, araka ny fampanantenany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany,
dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro
ary mihavana tsara,
no hahitan’ny Tompo anareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, Aleloia.
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)
Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.
Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe:
“Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao,
izay hamboatra ny lalanao;
injay misy feo miantso any an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo,
ahitsio ny alehany”,
dia niseho tany an’efitra i Joany Batista
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra
sy ny mponina rehetra tao Jerosalema,
ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo,
rehefa niaiky ny fahotany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany,
fehikibo hoditra no nanaovany,
ary valala sy tantely remby no fihinany;
ary izao no notorìny:
“Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika,
hamaha ny fehikapany akory aho.
Izaho nanao batemy tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.
♦ Feno 75 taona omaly ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ary araka ny Làlan'ny Eglizy, dia efa nametraka ny taratasy fametraham-pialany izy... ♦ Soa ara-panahy hamelona antsika no andrandraina amin'ny taon-jobily, hoy ny hafatry ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-85 taonan'ny SASEM, ny sabotsy teo... ♦ Mila miomana sy mandamina ny trano ho amin'ny fahatongavan'ny Mpamonjy isika, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus...
Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...
♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 63, 16b-17, 19b ; 64, 2b-7)
Ianao ry Tompo, no Rainay,
Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay.
Nahoana izahay, ry Tompo ô,
no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?
Miverena,
noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!
Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina,
dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Endrey raha midina Ianao
dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!
Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa,
manao toy izany, ho an’ny manantena azy,
afa-tsy Ianao.
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,
izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.
Fa izao,
tezitra Ianao, ary meloka izahay;
— sady efa ela no toy izany —:
hovonjena va izahay?
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;
ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto.
Malazo toy ny ravina avokoa izahay,
ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,
nifoha mba hifikitra aminao.
Fa nafeninao taminay ny Tavanao,
ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay.
Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao;
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
tanimanga izahay,
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
asan-tananao avokoa izahay rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena,
mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 3-9)
Ry kristianina havana,
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo,
noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy,
tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo,
dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,
dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo
amin’ny fahasoavana rehetra,
hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Eny, mahatoky Andriamanitra
izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Mitandrema, miambena, ary mivavaha,
fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana:
tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny,
ka nandao ny tranony,
ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy,
dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.
Koa miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano,
na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
fandrao tonga tampoka izy
ka tratrany matory ianareo.
Ary izao lazaiko aminareo izao,
dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 15-27)
Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko,
ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.
Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho,
dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany,
ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr’izany:
“Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany,
dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;
nefa ireo Olo-masin’ny Avo indrindra no handray ny fanjakana
sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.”
Tiako ho fantatra marina tamin’izay,
ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra,
mahatsiravina indrindra,
vy ny nifiny, varahina ny hohony,
nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;
sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany,
mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra,
ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany,
dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe,
ary niseho ho lehibe noho ny namany.
Nijery aho ka indro niady tamin’ireo Olo-masina,
sy naharesy azy ireo ilay tandroka,
mandra-pahatongan’ilay Anti-dahy
izay nanomezana ny fitsarana an’ireo Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo Olo-masina ny fanjakana.
Izao no nolazainy tamiko:
“Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany,
hafa noho ny fanjakana rehetra,
hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.
Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany;
hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo;
ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.
Hanao teny manohitra ny Avo indrindra izy,
sady hampahory ny Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna,
ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina
mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa,
ary ny antsasaky ny fetr’andro.
Ary hatao ny fitsarana,
ka hesorina aminy ny fizakana
mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.
Ary ny fanjakana sy ny fahefana
amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etý ambanin’ny lanitra rehetra,
homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indrindra;
fanjakana mandrakizay ny fanjakany,
ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanjakana rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87
Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Aoka i Israely hidera ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!
Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo;
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa
ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 2-14)
Tamin’izany andro izany,
dia niteny i Daniely ka nanao hoe:
“Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho,
ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery.
Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany
sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony
hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy.
Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa,
hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany,
nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny,
ary izao no nolazaina taminy:‘Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!’
Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa,
hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny;
ary nanan-doha efatra izany biby izany,
dia nomena azy ny fanapahana.
Rahefa izany,
nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra,
ary mahery indrindra;
nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka,
ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony;
hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
Nodinihiko ireo tandroka,
ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo,
ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha,
ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona
sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka.
Nijery aho mandra-pamono ilay biby,
sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany;
ary noferana ny halavan’ny andro iainany,
mandra-piavin’ny andro amam-potoana.Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’Olona
tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fanapahana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo,
ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo,
ry zavamaniry rehetra eran-tany.
Isaory ny Tompo,
ry loharano!
Isaory ny Tompo,
ry ranomasina sy ony.
Isaory ny Tompo
ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo,
ry voron’ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo,
ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:
“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy,
dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo
fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco