Bokin’i Malakia Mpaminany (Ml. 1, 14b — 2, 2b. 8-10)
Mpanjaka lehibe Aho,
hoy ny Tompon’ny tafika;
ary mahatahotra ny Anarako,
any amin’ny firenena.
Koa ankehitriny, ry mpisorona,
didy mihatra aminareo izao:
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo
ny hanome voninahitra ny Anarako,
hoy ny Tompon’ny tafika,
dia handefa ozona hamely anareo Aho.
Fa ianareo kosa nivily lalana,
nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna,
ary namadika ny fanekena tamin’i Levi,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Koa Izaho kosa,
dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona
eo imason’ny vahoaka rehetra,
satria tsy nitandrina ny lalako ianareo,
sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Tsy iray ray va isika rehetra?
Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika?
Ka nahoana àry ity isika,
no samy mivadika amin’ny iray ra amintsika avy,
ka mandoto ny fanekena amin’ny razantsika?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 130, 1. 23
Tompo ô, tsy mba miavona ny foko,
tsy miandranàndrana ny masoko:
izaho tsy manenjika zava-baventy
na zavatra ambony tsy sahaza ahy.
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka,
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny;
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko.
Aoka i Israely hatoky ny Tompo
hatrizao ka ho mandrakizay!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 7b-9. 13)
Ry kristianina havana,
naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
He tsaroanareo, ry kristianina havana,
ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona
na dia iray taminareo aza.
Noho izany,
dia tsy tapaka misaotra an’Andriamanitra koa izahay,
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany,
fa noraisinareo, araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:
“Efa mipetraka eo amin’ny toeran’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo antsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fitoerana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany no Mpampianatra anareo,
ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo,
dia Izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe Mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry
ary izay hanetry tena dia hasandratra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29)
Ry kristianina havana,
moa dia narian’Andriamanitra va ny olony?
Sanatria izany!
Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony,
izay efa fantany rahateo.
Koa hoy izaho:
Moa dia tafintohina,
ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo?
Sanatria izany!
Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny jentily,
mba hahavelom-pialonana an’i Israely.
Koa raha ny fahalavoany no tonga herin’izao tontolo izao,
ary ny nihenàny no zary haren’ny jentily,
hanao ahoana re ny hafenoany?
Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry,
dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana,
izao zava-miafina izao:
nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely,
mandra-piditry ny hafenoan’ny jentily.
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka,
ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo,
rahefa voaesotra ny fahotany.
Raha amin’ny Evanjely,
dia mbola fahavalo izy noho ianareo;
fa raha amin’ny fifidianana kosa,
dia malala izy noho ny razany;
satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18
Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiany
amin’ny andro fahoriana.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany,
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy,
poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako!
Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro!
ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!
Aleloia. Aleloia.
Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)
Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina
naka ny fitoerana voalohany,
dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe:
“Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao,
aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany,
fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao,
ka ho avy izay nanasa anao sy izy,
hilaza aminao hoe:‘Omeo an’itý ny fitoeranao’,
ary amin’izay,
dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany.
Fa raha asaina ianao,
dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka,
ka raha tonga izay nanasa anao,
dia hilaza aminao hoe:‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’;
amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao.
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)
Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka,
sy ny voninahitra sy ny fanekena,
sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarka,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa!
Derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto;
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didiny aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleioia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)
Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa,
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany.
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe:
“Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy
ka nositraniny ary nalefany handeha,
izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo,
iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana
na dia sabata aza ny andro?”
Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-39)
Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona,
sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va, sa fahaterena,
sa fanenjehana, sa fahanoanana,
sa fitanjahana, sa loza,
sa sabatra?
Araka ny voasoratra hoe:
Ianao no amonoana anay isan’andro:
mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho
fa na fahafatesana, na fiainana,
na Anjely na ireo fifehezana,
na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,
na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31
Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao!
Manafaha araka ny hasoan’ny hatsaram-ponao:
fa mahantra sy mijaly aho,
ory fo ato anatiko.
Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Vonjeo araka ny hatsaram-ponao!
Aoka ho fantany fa ny tananao izao;
fa Ianao, ry Tompo, no nanao an’izao.
Fa izaho hisaotra ny Tompo eran’ny fo, eran’ny vava;
sy hidera Azy eo afovoan’olo-maro:
noho Izy mijoro ankavanan’ny mahantra,
mba hamonjy azy amin’izay manameloka!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:
“Mandehana miala eo Ianao,
fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”
Dia hoy Izy tamin’ireo:
“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako
anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany,
fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo
ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)
Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy azo lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Fantatsika koa
fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny
hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 12, 4-5. 6
Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana;
ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý!
na hifalian-drafilahy fa mihontsina!
Matoky ny hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa nataonao.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro
ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:
“Tompoko,
moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”
Ka hoy Izy tamin’ny olona:
“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo
fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano
no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:‘Tompoko, vohay izahay’,
dia hovaliany hoe:
‘Tsy fantatro izay niavianareo.’
Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:
‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’Fa hovaliany hoe:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana,
ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany,
ary hisy voalohany ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-25)
Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao
dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika.
Ary ny mahita izay antenaina,
dia tsy mba manantena intsony,
fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?
Fa raha ny tsy hita no antenaintsika,
dia miandry amim-paharetana isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Raha nampody ny babo tamin’i Siôna ny Tompo,
dia ohatra nanonofy izahay!
Tonga feno hehy ny vavanay;
feno hira ny lelanay!
Tamin’izay ireo firenena nitakoritsika hoe:
Lalina itý nataon’ny Tompo taminy!
Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay:
ka faly moa izahay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay,
toy ny ranotrambo any Atsimo!
Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany
manipy ny voa.
Fa nony miverina, velona akora
milanja ny vokatra!
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny hoe:
“Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra,
ary ny inona no hanoharako azy?
Tahaka ny voan-tsinapy izy
izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny,
dia nitombo ka tonga hazo,
ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.”
Dia hoy indray Izy:
“Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy,
ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana
mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 12-17)
Ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo,
dia ho velona ianareo;
satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo,
ka hatahotra indray ianareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny tenan’io Fanahy io ihany
no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika
fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny, sady mpandova an’Andriamanitra
no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy anefa isika,
mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21
Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby.
Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra ao amin’ny toerany masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.
Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro:
ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata,
ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony
hatramin’ny valo ambin’ny folo taona,
ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy.
Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy
ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, afaka ny aretinao.”
Dia nametrahany tanana izy,
ka nitraka niaraka tamin’izay,
sy nankalaza an’Andriamanitra.
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga
noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata,
ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Henemana no andro azo iasana
ka tongava hositranina amin’ireo ianareo,
fa aza amin’ny andro Sabata.”
Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy:
“Ry mpihatsaravelatsihy,
moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany
hiala amin’ny tranony avy ianareo,
ka mitondra azy hisotro rano
na dia Sabata aza ny andro?
Ary itý zanakavavin’i Abrahama
izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve
tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany
amin’ny andro Sabata?”
Tamin’izy niteny izany,
izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana,
fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly
noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany teo amin'ny faha-84 taonany i Mgr Antoine Salvatore Scopelliti, Eveka misotro ronono an'i Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misiônera mpitondra hafatra isika, hoy i Mgr Zygmunt Robasckiewicz, Evekan'i Mahajanga, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiona... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny zaikaben'ny Vondrom-bavaky ny Apôstôlin'ny Famindrampon'Andriamanitra ho an'ny Arsidiôsezy Atsinanana...
Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!
Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)
Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manentana ny kristianina hifanome tanana hampiroborobo ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Tale nasiônalin’ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires), P. Rakotoarisoa Jean Claude amin’izao fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Misiona, izay marihana ny alahady 22 oktobra izao… ♦ Mila manana fo mirehidrehitra sy hafanam-po amin’ny asa fiantrana tahaka ny nataon’i Masindahy Charles de Foucauld isika, hoy ny Papa François, ny alarobia lasa teo… ♦ Nampirisika ny mpino rehetra mba tsy hiandany afa-tsy amin’ny fiadanana ny Papa François manoloana ny savorovoro misy ao Proche-Orient…
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco