29 desambra 2023 — Andro fahadimy amin'ny Havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22-35)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 3-11)

Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava.

Anaka, izao no ahafantarantsika,
fa mahalala an’i Jesoa isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy,
nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga,
ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa izay mitandrina ny didiny,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa;
ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.
Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy,
dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.

Ry malala,
tsy didy vaovao no soratako aminareo,
fa didy ela izay efa azonareo hatramin’ny voalohany:
ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo,
izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo,
fa efa misava ny haizina,
ary miposaka sahady ny fahazavana marina.
Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana,
nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mbola ao amin’ny haizina ihany.
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava,
ka tsy misy fanafintohinana ao aminy.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin’ny haizina
sy mandeha amin’ny maizina,
ka tsy mahalala izay halehany,
fa voajamban’ny haizina ny masony.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 5b-6

Mifalia, ry lanitra sy tany.

Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao, ry manana aina!
Ny fisaorana
aoka hanakoako!

Isan’andro vaky dia torio:
itony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo
ny eran-tany.

Ny habakaba-manga dia nataony,
ka ny lapa masiny tazano,
fa mitemitra
ilay fahefany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22-35)

Fahazavana hanilo ny Jentily.

Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:

“Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe:
masina ho an’ny Tompo”,

ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro,
nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema,
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina
sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao amim-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily
sady voninahitr’i Israely olonao.”

Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna,
ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe:

“Indro, ity Zaza ity no voatendry
ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina,
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra,
— mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

28 desambra 2023 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 13-18)

♦ Hamory ireo hery velona sy fikambanana isan-tsokajiny eny amin'ny Live Hotel Andavamamba manomboka androany ary hitohy rahampitso ny Fikambanan'ny ray aman-drenin'ny Foko Malagasy... ♦ Sazy mihatona 2 taona no azon'ny sekretera jeneralin'ny Antoko Tiako I Madagasikara Rina Randriamasinoro, amin'ny 19 desambra ny didim-pitsarana ho an'ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsy milefitra amin'ireo manana heritreritra hanakorotana mandritra ny lanonam-pianianan'ny filoha Rajoelina Andry ny sabotsy ho avy izao ny mpitandron'ny filaminana... ♦ Isany lasibatra amin'ny fanafihana ataon'ny Israeliana ao amin'ny faritra Gaza ihany ny Eglizy Katôlika any an-toerana... 

♦ Tsy hilefitra amin'ireo manana heritreritra hanelingelina ny lanonana fianianan'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, amin'ny sabotsy 16 desambra, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Roa taona, sazy mihantona no azon'ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Tiako i Madagasikara, Rina Randriamasinoro, tamin'ny didim-pitsarana nivoaka androany, momba ny raharaha nisamborana azy ny 2 ôktôbra 2023... ♦ Hampitombo ny voka-bary ao amin'ny Distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny, ny fahavitan'ny lakan-drano 25 km, hanondrahana ny faritra faha-4 sy faha-5 ary faha-6 ao amin'ny lemak'i Marovoay...

27 desambra 2023 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 1, 1-4)

Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo koa.

Ry zanako malala,
izay efa nisy hatramin'ny voalohany,
sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay,
ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana;
- fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay,
ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay
izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay,
- eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa,
mba hanananareo fikambanana aminay koa;
ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany.
Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12

Ianareo olomarina, mifalia ao amin'ny Tompo.

Mpanjaka ny Tompo: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.

Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.

Afafy ho an'ny marina ny fahazavana,
ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina,
ary manomeza voninahitra ny anarany masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)

Nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anakiray, ka tonga talohan'i Piera teo amin'ny fasana.

Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro,
i Maria Magdalena lasa nihazakazaka
nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa,
ka nanao tamin'ireo hoe:

Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo,
ka tsy fantatray izay nametrahany azy.

Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray
nankany amin'ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy,
saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray,
ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana.
Dia niondrika izy,
ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.
Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy,
dia niditra teo am-pasana
ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany,
tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba
fa nivalona nitokana terý.
Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana,
ary nahita ka nino.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

26 desambra 2023 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)

25 desambra 2023 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)

24 desambra 2023 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16)

Ho azo antoka mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka,
sady nomen’ny Tompo fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany:

“Jereo ange!
izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”

Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:

“Andeha ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo”.

Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko,
amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely,
ary izay nalehanao, nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra,
naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona tony,
ho afaka amin’ny fahavalonao Aho.
Ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao
eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

Hikalo mandrakizay ny famindram-ponao aho, ry Tompo.

Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.

“Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!”

“Nanaovako fanekena ilay voafidiko;
i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!”

Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy,
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!
Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 25-27)

Nambara ary naseho ankehitriny ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay.

Ry kristianiana havana,
ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra,
Ilay hany hendry indrindra anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

Indro hitoe-Jaza ianao, ka hiteraka Zazalahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta
ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa,
taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana;
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”.

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe:
Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany”.

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe:
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao
ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao”.

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizy vavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”.

Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

23 desambra 2023 — Sabotsy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...