23 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 20-25)
Ry kristianina havana,
tsy nasian’i Abrahama fisalasalana na ahiahy kely akory
ny teny napetrak’Andriamanitra taminy,
fa nampaherezin’ny finoana izy,
ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fitokiana mafy Azy
ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;
koa notanana ho fahamarinany izany.
Ary tsy ho azy ihany no nanoratana
fa notanana ho fahamarinana izany;
fa ho antsika izay hitanana izany koa,
dia isika izay mino an’Ilay nanangana ho velona
an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay natolotra noho ny fahadisoantsika,
ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Lk. 1, 69-70a. 70b-71. 72-74a. 74b-75
Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy,
avy amin’ny fianakaviana iray;
dia ny an’i Davida mpanompo tiany.
Fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany,
dia ireo olo-masiny fahagola.
Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny Razantsika,
dia indro tsaroany ny fanekeny.
Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy,
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy;
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Ry Mpampianatra,
mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Ralehilahy ô,
iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?”
Ary hoy Izy tamin’ny olona:
“Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo,
fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.”
Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe:
“Nanan-tany nahavokatra be itý lehilahy mpanan-karena anankiray,
ka velona eritreritra toy izao:‘Inona re no hataoko,
fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho itý?
Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy:
horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho,
dia hangoniko ao daholo
rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe:
Ry fanahiko,
manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao
ka mialà sasatra,
mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.’Fa hoy kosa Andriamanitra taminy:
‘Ry adala,
anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao,
ka ho an’iza àry izay novorinao?’Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany,
fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
22 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 45, 1. 4-6)
Izao no lazain’ny Tompo amin’i Sirosy
ilay voahosony izay notantanany tamin’ny tanany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:
“I Jakôba mpanompoko sy i Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin’ny anaranao;
sy nanendreko anao,
fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikina anao Aho,
fony ianao tsy mbola nahalala Ahy,
mba hahafantaran’ny olona,
hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany,
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 95, 1 sy 3. 4-5. 7-8. 9-10ad
Ihirao hira vao ny Tompo,
ihirao ny Tompo, ry tany tontolo.
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.
Fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra,
Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy.
Ny andriamanitr’ireo firenena: tsinontsinona,
ny Tompo kosa nanao ny lanitra.
Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena,
omeo Azy ny voninahitra sy ny hery;
eny, omeo ny Tompo
ny voninahitry ny Anarany.
Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina.
Mangovita eo anoloany, ry Tany tontolo,
ilazao ny firenena: “Manjaka ny Tompo!
ny vahoaka, tsarainy araka ny hitsiny!”
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 1-5b)
Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timôte,
mamangy ny Eglizy any Tesalônika,
izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana.
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva
noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika
ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa fantatray, ry kristianina havana, malalan’Andriamanitra,
fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo
dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa,
sy tamin’ny Fanahy Masina,
ary tamin’ny fampiaikena tanteraka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)
Tamin’izany andro izany,
niray tetika ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny.
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina
ho any aminy izy ireo nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao,
ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina,
ka tsy mampaninona Anao ny olona;
satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.
Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity:
mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?”
Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe:
“Ry mpihatsaravelatsihy,
nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra”.
Dia nanasehoany denie iray Izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Sarin’iza, sy anaran’iza ity?”
Hoy ireo hoe:
“An’i Sezara”.
Ka hoy Izy:
“Raha izany àry,
dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦Hivory ara-potoana indray manomboka anio ireo Antenimiera mpanao lalàna eto amintsika. Andrasana ny mety ho ady hevitra eny Tsimbazaza, manoloana ny toe-draharaha pôlitika eto amin'ny firenena ankehitriny... ♦ Tsy azo eritreretina intsony ny hamerenana ny fahefàna hitantana vonjimaika ny firenena any amin'ny filoha vaovaon'ny Antenimieran-doholona hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly. Didy tsy azo ivalozana hoy izy, no avoakan'ny HHC... ♦ Miantso ho an'ny Fanajàna ny Lalam-panorenena sy ny fahafahana maneho hevitra ireo Masoivoho vahiny sasany eto amintsika. Mamporisika ny hisian'ny fifampidinihina hisian'ny fifidianana madio izy ireo, tanatin'ny fanambarana omaly...
♦ Tsy azo eritreretina intsony ny hanalana ny fahefana any amin'ny Governemanta ifarimbonana, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany. Didy tsy azo ivalozana mantsy no navoakan'ny HCC... ♦ Tokony hamafisina ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra ary ny fifampidinihina, hoy ny fanambaran'ny solontenan'ny masoivoho vahiny vitsivitsy eto Madagasikara, miaraka amin'ny Vondrona Eorôpeana sy ny avy amin'ny OIF... ♦ Tsy mahita vahaolana afa-tsy ny fanatanterahana hetsika kosa sisa, ireo mpianatra eny amin'ny Oniversite, mba hitakiana ny fiverenan'ny fampianarana...
♦ Sarotra ny miaina ny fanetren-tena, fa efantsika izany rehefa miaraka amin’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny fanokafana ny Jobily faha-800 taonan’ny fiainan’ny Fransiskanina… ♦ Tsy manery, fa manaja tanteraka ny fahafahan’ny olombelona Andriamanitra, hoy ny votoatin’ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus, omaly… ♦ Nanavao ny antso mba hisian’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olona ao Gaza, ny Papa François…
Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Mbola mitàna ny heviny ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fifampidinihana momba ny raharaham-pirenena fa tsy ny tontolom-pifidianana fotsiny ny antoko Otrik'afo, manoloana ny toe-java-misy any ankehitriny... ♦ Marihana androany 16 ôktôbra, ny andro eran-tany ho an'ny sakafo. Any Antsirabe Faritra Vakinakaratra no anamarihana izany amin'ny fomba ôfisialy ho antsika eto Madagasikara... ♦ Hanomboka rahampitsy ny andiany faha-efatra amin'ny Vaksiny faobe iadiana amin'ny lefa-kozatra. Manentana ny ray aman-dreny hanao vaksiny ny zanany ny tompon'andraikitry ny fahasalamana any amin'ny Faritra Anosy...
Ny loko dia misy heviny araka ny toetrany. Ny Malagasy dia efa ela no nahay namokatra loko ary akora toy ny tany sy zava-maniry no nampiasainy. Ny tany ravo na malandy na tany fotsy no hazoana loko "fotsy", eo koa ny zava-maniry nonoka ; ny zava-maniry "aika" no mamoaka ny loko manga ; ny tamotamo no manome ny loko "mavo" ary ny manome loko "mainty" dia zava-maniry toy ny ampongabendanitra, voahirana, tatamo, rotra, zamborizano ary ny tany dia ny fota-mainty ; ny nahazoana ny loko "mena" dia ny zava-maniry nato. Ny loko fotsy no misy heviny ratsy indrindra ary ny loko manga no tsara indrindra. Ny loko mena dia taratry ny tanjaka sy hery, midika ho vola. Misy tantara ny hoe "mena ambanin'ny mena" toy ny tretraka akoholahy...
21 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 13. 16-18)
Ry kristianina havana,
tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany
fampanantenana handova izao tontolo izao,
fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Koa ny finoana no handovana,
mba ho araka ny fahasoavana,
ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana,
dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna,
fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa,
satria raintsika rehetra izy
(araka ny voasoratra hoe: “Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao”)
eo anatrehan’izay ninoany,
dia Andriamanitra mpamelona ny maty,
sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.
Nino izy,
fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza,
ka tonga rain’ny firenena maro,
araka ny voalaza taminy hoe:
“Ho tahaka izany ny taranakao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 6-7. 8-9. 42-43
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.
Eny, tsaroany ny teniny masina
tamin’i Abrahama mpanompony;
ka dia navoakany ny olony ka niravo;
sy ireo voafidiny, ka nihoby.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy
ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany
izay holazainareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco