♦ Nampiantso ireo kandidà ho Filoham-pirenena teny Ambohimanoro, ny takariva teo, ny FFKM. Efa manomboka misy mangirana ny dinika, raha ny fanazavan'ireo Ray aman-dreny am-panahy... ♦ Sambany tsy nisy baomba mandatsa-dranomaso ny hetsiky ny vondron'ireo kandidà androany. Nanao diabe am-pilaminana, niakanjo fotsy, niaraka tamin'ireo mpiara-dia aminy teny Andavamamba sy Ampefiloha, izy ireo... ♦ Andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra ny androany 5 ôktôbra. Mbola mandray karama ambanin'ny karama farany ambany, ny mpampianatra malagasy, hoy ny SEMPAMA...
♦ Tsy afaka manao ny tatitra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny sabotsy izao ny solombavambahoaka TIM ao Antananarivo Renivohitra hoy ny Prefet an'Antananarivo. Azon'izy ireo atao eny amin'ny Magro Tanjombato izany tatitra izany araka ny valin'ny fangatahana nataon'ny députés omaly... ♦ Velon-taraina ireo mponina amin'ny tanàna iray any amin'ny Faritra Menabe fa maro izy ireo no tsy tafiditra tao anatin'ny lisi-pifidianana ka tsy afaka manefa ny adidiny amin'ny fifidianana... ♦ Mbola tsy ampy ny isan'ny pôlisin'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara. Takian'izy ireo ny hampitomboana ny isany... ♦ Miatraika amin'ny seha-pampianarana ny herisetra sy ny tsy fandriam-pahalemana any Burkina Fasso...
Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.
Ny faharanitan-tsaina dia fahaizana mandray sy mampihatra zavatra iray ary koa fahaizana mamaha olana sy miatrika sakana. Misy karazany maro izy io, ka ny enina amin'ireo no heverina afaka ampiasaina eo amin'ny sehatry ny asa fandraharahana sy ny asa birao. Betsaka ny voka-tsoa azo avy amin'ny fampiasana azy ireo toy ny fahombiazana amin'ny maha-olona, fahombiazana arak'asa, ara-piaraha-monina, ara-toekarena, eo amin'ny tontolon'ny asa... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦ Hitohy anio indray ny hetsi-pitakiana ataon'ny vondron'ireo kandidà 11 mitaky ny hanajàna ny lalàna manan-kery. Tontosa omaly ny fihaonana mikaton-trano niarahan'izy ireo tamin'ny mpanao pôlitika sy ny herivelona... ♦ Mikasa hanao tatitra amin'ny vahoaka eny amin'ny kianja ny 13 mey ireo solombavambahoaka TIM lany tao Antananarivo renivohitra miaraka amin'ny ireo solombavambahoaka mpanohitra. Tafapetraka omaly teny amin'ny prefet eny Tsimbazaza ny taratasy fangatahana... ♦ Handray fepetra amin'ireo minia manely vaovao tsy marina amin'ny fisian'ny zandary vahiny midina eny an-kianja, manampy ireo zandary malagasy ny mpitandro filaminana...
♦ Nisafidy ny hikaton-trano, nihaona tamin'ireo hery velona teto amin'ny firenena androany, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena. Hitohy rahampitso kosa ny fidinana an-dalambe... ♦ Handray fepetra amin'ireo minia manely vaovao tsy marina amin'ny fisian'ny zandary vahiny eny an-kianja, nanampy ireo zandary malagasy, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Mikasa hanao tatitra eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ireo Solombavam-bahoaka TIM, lany tao Antananarivo Renivohitra, miaraka amin'ny Solombavam-bahoaka mpanohitra. Tafapetraka androany teny amin'ny "Préfet" ny fangatahana...
♦ Hanohy ny fihaonana amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena ny vondron'ireo kandidà. Tsy hisy ny hetsika fitakiana ataon'izy ireo anio. Fanapahan-kevitra taorian'ny fihaonana tamin'ny FFKM omaly... ♦ Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho amin'ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza isika eto Madagasikara. Nanomboka omaly nitohy androany ny hetsika anamarihana izany, iarahan'ny BNGRC sy ny CPGU ary ny PNUD... ♦ Olona efatra no maty tao amin'ny kaominina Tsianisiha, Distrikan'i Toliara faharoa, Faritra Atsimo-Andrefa noho ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina... ♦ Nanomboka androany ny Sinaodin'ny Eveka andiany faha-16, notarihan'ny Papa François...
7 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Bokin’i Barôka (Bar. 4, 5-22. 27-29)
Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an’i Israely ô!
Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena, tsy mba ny haringana;
fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,
no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.
Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,
tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,
fa tsy tamin’Andriamanitra.
Nanadino an’Ilay namelona anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay,
ary nampalahelo an’ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;
fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:
“Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,
fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.
Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;
sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.
Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,
fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.
Aza dia misy mifaly e,
saingy mahita ahy mpitondra-tena sy nilaozan’ny maro be!
Efa lao aho noho ny fahotan’ireo zanako,
satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra.Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,
fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.
Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra
no hikatsahanareo Azy amin-kafanam-po impolo heny
rehefa tafaverina aminy ianareo.
Satria Ilay nahatonga loza taminareo,
dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin’ny famonjeny anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 68, 33-35. 36-37
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy anie ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay mihelotrelotra ao!
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna
sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao,
izay hivolon-tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Tamin’izany andro izany,
dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô,
na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo
fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo,
fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
6 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Raha tsara ny vokatry ny safidinao dia tombony ho anao izay, raha ratsy koa dia mbola mifototra aminao ihany koa ; noho izany dia ny safidinao no mamaritra ny ho avin'ny ferenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mba ho fanajana ny tena sy ho fanomezana hasina ny hafa dia miezaka hatrany isika hanaja ny hafa, hamela ny hafa haneho, hanorina hanao ny fiainany. Soatoavina fototra roa azo asongadina izay manentana ny olona : hajao ny tenanao, hajao ny hafa ary hekeo amin'ny maha-izy azy ny hafa. Ny fanajana ny tena sy ny hafa ary ny fanomezana hasina ny mahaolona dia manatsara ny fifandraisana sy ny fiombonana. Fandaharana "ampela miary".
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco