Tsy azo zarazaraina ny soa iombonana : raha samy maka ho azy dia mivoana amin'ny maha soa iombonana azy. Sady an'ny besinimaro no an'ny tsirairay, an'isam-btan'olona ny soa iombonana. Tsy ho tratran'ny olona iray fotsiny ny fahatanterahan'ny soa iombonana fa tsy maintsy iaraha-mientan'ny rehetra. Amporisihan'ny Eglizy katôlika ny fiombonan'ezaka ho fitandrovana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny soa iombonana dia iray tsy mivaky. Toe-tsaina tokony ho fongorantsika hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena, ny tsy fahaizana mizara ny soa amin'ny hafa. Endriky ny tsy fahavononana hikatsaka ny soa iombonana io fitiavan-tena io. Samy nomen'Andriamanitra talenta avokoa ny isam-batan'olona, talenta tsy natao ho tehirizina fotsiny fa natao ho zaraina amin'ny hafa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Nidera sy nampahery an-dRamatoa Razanamahasoa Christine, flohan'ny Antenimieram-pirenena ny filoha nasiônalin'ny Antoko RDS Rakoto Andrianirina Fetison, amin'ny antso sy amin'ny fifampiresahana nataony... ♦ Mbola nifampitazana teny Tanjombato indray ireo mpanohana ny vondron'ireo kandidà sy ny kandidà laharana fahatelo... ♦ Antony handalovan'ireo ben'ny tanàna eny amin'ny PAC mazàna ny tsy fifehezan'izy ireo ny fitantanam-bola sy ny tsenabaro-panjakàna... ♦ Manentana ny olona tsy hivahiny any Liban ny fitondram-panjakàna amerikana ho fiarovana azy ireo manolohana ny tsy fahandriam-pahalemana...

Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy nanafina ny ahiahiny amin'ny endrika fitsabahana ataon'ireo vahiny ny governemanta ifarimbonana raha nitondra valin-kafatra tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo ny alatsinainy teo... ♦ Nametraka fitoriana manolohana ny herisetra niteraka faharatrana sy fahasimbana fitaovana teny Andavamamba omaly ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa 11... ♦ Tsy ekena kosa ny fanirahan'olona hanao fihantsiana satria mety hitarika hatrany amin'ny ady an-trano izany hoy ny solombavambahoaka Rahasimanana Paulbert na i Rossy... ♦ Voadaroka baomba ny sekoly iray hitobian'ireo mpialokaloka mitsoaka amin'ny ady ao amin'ny faritry Gaza. Miisa 6 farafahakeliny ireo olona maty...

♦ Miantso fitoniana, manoloana ny zava-misy ankehitriny ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena, nandritra ny lahateniny nanokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny fivoriana ara-potoana faharoa teny Tsimbazaza... ♦ Nanokatra ny fivoriana teny amin'ny Lapan'Anosikely ny Filoha vaovao, ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy krizy toa ny nisy tamin'ny taona 1991, 2002, 2009 no misy eto Madagasikara ankehitriny, fa ny serasera no mampitombo resaka, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Nifampikasi-tanana androany, ireo mpomba ny kandidà Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia ny vondron'ny kandidà 11, teny Andavamamba...

25 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 12-18)

Atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray.

Ry kristianina havana,
aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty
amin’ny fanarahana ny filan-dratsiny
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana
hataony fiasana fanaovan-dratsy
fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo,
izay maty no velona indray,
sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana,
satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna,
fa ambanin’ny fahasoavana.
Ahoana àry: hanota va isika,
satria tsy ao ambanin’ny Lalàna,
fa ao ambanin’ny fahasoavana?
Sanatria izany!
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena
ho mpanompo mba hanaiky azy,
dia mpanompon’izay ekenareo ianareo,
na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany,
na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ary isaorana Andriamanitra,
fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo,
dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
ary rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8

Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely!
raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsampazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika,
fa nirehitra loatra ny havinirany.

Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny!

Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato ka afaka isika!
Ny Fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny Lanitra sy ny tany!

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Izay nomena be no hitakiana be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano
ny ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy,
fa tsy hamela ny tranony hotamìna.
Koa mivonòna koa ianareo,
fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona.”

Dia hoy i Piera taminy:

“Tompoko,
ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany,
sa ho an’ny olona rehetra koa?”

Ary hoy ny Tompo:

“Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry
izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony
mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony
manao tahaka izany raha avy izy.
Lazaiko marina aminareo fa hotendreny
ho mpitandrina ny fananany rehetra izy.
Fa raha izany mpanompo izany kosa,
manao anakampo hoe:

‘Ela vao ho avy ny tompoko’,

ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy,
sady mihinana sy misotro ka mamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny
sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hataony rotiky ny kapoka izy,
ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany
nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony,
no hokapohina imbetsaka;
fa izay tsy nahalala kosa,
na nanao zavatra mendri-pamaizana aza,
dia hokapohina kelikely ihany.
Izay nomena be no hitakiana be,
ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

24 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12. 15b. 17-19. 20b-21)

Raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olon-drehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray no ahaveloman’ny rehetra.

Ry kristianina havana,
tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray,
no nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra.
Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray,
dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana
ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza
nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray,
dia i Jesoa Kristy,
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra
noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana
ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota
noho ny tsy nanekan’ny olona iray
no nahatongavan’ny maro ho marina kosa
noho ny naneken’ny olona iray.
Nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra
no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty
no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana
hahavelona mandrakizay kosa,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitra no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Ny manao ny sitrakao,
ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
Lehibe ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo,
ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony
avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay
raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina
raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony
ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy,
na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Sokafana androany talata 17 ôktôbra 2023 ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Nohorakorahan'ireo solombavambahoaka sasany ny filoha vaovaon'ny Antenimieran-doholona...♦ Maro ireto tsy fanarahan-dalàna tsikaritry ny KMF/Cnoe tao anatin'izay herinandro nanombohan'ny fampielezan-kevitra izay. Misy sahady hoy izy ireo ny fampiasàna fitaovam-panjakàna... ♦ Mifanotona amina toerana iray indray ny fiaingàn'ny hetsika ataon'ireo kandidà 11 sy ireo mpomba ny kandidà Andry Rajoelina manao fampielezan-kevitra ao an-drenivohitra ao... ♦ Voasambotra ny lehilahy iray voalaza ho tompon'antoka tamin'ilay herisetra nahafaty olona roa tao Bruxelles, omaly...

Ireo teboka fototra 10, takiana amin'ny mpampianatra mpanabe mba hampaomby ny fampitana fahalalana sy fanabeazana maha-olona ny mpianatra dia tokony hanana. Tamin'ny 5 ôktôbra lasa teo no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny mpampianatra. Ny fanabeazana ankehitriny dia ahatsapan'ny olona fa tsy ampy ny fanabeazana ny maha-olona. Toetra fototra 10 : mendrika, tony sy tsy mora tezitra, tsy miangatra sy tsy manavakavaka, manana faharetana, mahay mihaino, azo hifanakalozan-kevitra, tia karokaroka, manaiky ny fahasamihafana, mahay maka ny toeran'ilay olona, miran-dava...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...