Mifandraika amin'ny ady amin'ny kolikoly ny tetika ama-paika tsotra hanara-maso ny fianaran'ny zanaka miasa isan'ambaratongany ; ohatra : ny fanomezana zavatra ho an'ny mpampianatra izay efa endrika kolikoly. Amin'ny maha sekoly voalohany ny ankohonona dia tokony ho tsapan'ny ray aman-dreny fa izy no mpampianatra voalohany ny zanany. Ny fiteny sy ny fihetsika dia tokony hotandremana fa ireny no tahafin'ny zanaka. Volavolaina ny sain'ny ankizy fa ny fianarana notovozina tamin'ny kilasy fototra no hampiana hatrany isaky ny misondrotra kilasy, noho izany koa dia misy olana matetika ny ankizy nampandinganana kilasy... Fandaharana "ampela miary".
Vehivavy tsy mba maro teny na be finari-bava i Maria, misy zavatra maika sy manan-danja kokoa aminy noho izay mety ho dindony na fijery azy ivelany. Ny tenany dia tsy mba faritany amin'ny firentiny ivelany fa miaina kosa ny tena maha izy azy marina. Fantany fa tsy maintsy mikolo ny tena izy tsy misy ankosotra sy ny fitiavany lalina ny Zanak'Andriamanitra sy ireo anadahy sy rahavavy rehetra, ankehitriny sy mbola ho avy izy. Tsapany tsara fa ny fitiavana dia mahay mampiely ny tenany sy miseho amin'ny tena izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahatelo.
♦ Mby eo am-baravaran'ny krizy i Madagasikara, hoy ny antoko UNDD, tamin'ny fanambarana navoakany. Mamerina ny antso efa nataony tamin'ny fitondrana, hiroso amin'ny fampihavanam-pirenena ity antoko ity... ♦ Mbola miandry fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana vao tena hanomboka ny asa fanamboarana ilay lalambe migodana mankany Toamasina. Efa voaray ny tatitra momba ny fanadihadiana natao, hoy ny ONE, omaly... ♦ Tsy misy fiantraikany amin'ny toetr'andro eto Madagasikara, ilay faritr'andro ratsy Fabien any amin'ny Ranomasimbe Indiana. Araha-maso anefa ny fivoarany noho izy nitombo hery...
Vehivavin'ny fiainana tsotra andavanandro i Maria, vehivavy tonga reny, reny nahita ny nahafatesan-janany tsy an-drariny, nahita azy nitsangan-ko velona, ary niandry tamim-paharetana nivavaka — niaraka tamin'ny mpianatra — ny fiavian'ny Fanahiny. Manetsaka fitiavana sy mampisy fotony ny ankobanandro i Maria: toa nijanona ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra, nefa toa niova ho vaovao feno hanitra mamerovero ihany koa. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro faharoa.
♦ Hotsarain'ny tantara ny mpitondra ankehitriny, izay mbola mikiry hifikitra sy hiverina amin'ny fahefana, hoy ny MMM... ♦ Tsy mieritreritra mihitsy ny hametraka tetezamita, ny fitondram-panjakana, hoy ny Loholona Ramanambitana Richard, androany... ♦ Miandry ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, vao tena hanomboka ny asa fanamboarana ilay lalambe migodana, hoy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy...
♦ Anisan'ny nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpanabe androany, ny tao amin'ny sekoly Stella Maris Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo, ny Andro Nasiônaly ho an'ny TAMPIKRI, ka nanatanteraka hetsika manokana ny TAMPIKRI tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy ny EKAR Notre-Dame de Fatima Ambohipeno, Distrikan'Andranomadio, Diôsezin'i Tsiroanomandidy...
♦ "Malagasy miray hina. Madagasikara mandroso", izay no lohahevitra hanamarihana ny faha-63 taona niverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena, amin'ity taona ity... ♦ Tokony hifototra bebe kokoa amin'ny fambolena sy ny fiompiana ny toe-karena eto Madagasikara, hoy ny mpahay toe-karena, mpampianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, Rakoto David... ♦ Velon-taraina amin'ny fiparitahan'ny andiam-balala any aminy, ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'i Betafo, Faritra Vakinankaratra. Efa nampahafanatra ny zava-misy aty amin'ny Minisitera Foibe, ny Solombavam-bahoaka...
Ny mofo dia mifono hevitra tena mafonja. Sady manambara ireo filan'ny olombelona izy, no manambara ihany koa ny famonjen'Andriamanitra. I Maria dia sady maneho no mahafantatra ireo filan'ny olombelona ireo. Avy amin'ny alalany, dia tonga eto anivon'izao tontolo izao i Jesoa, zanany, hany famonjena ho antsika. I Jesoa miaraka amin'i Maria no ilay mofa zaraina tsy miato mba ho fahasambaran'ny rehetra sy ny tsirairay. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro voalohany.
♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny faran'ny herinandro teo ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tsy misisika amin'ny fametrahana ny tetezamita ny filohan'ny HVM. Ny Zava-misy manodidina ny fiainam-pirenena no manosika ho amin'izany hoy izy... ♦ Tsy azo ovaina intsony ny zotra andehanan'ny teleferika ao an-drenivohitra. Vonona hanazava ny tetik'asa amin'ny mpitantana ny Sekolintsika ao Analamahintsy ny Ministera tompon'andraikitra... ♦ Mahomby ny fametrahana ny tetik'asa Madagasikarantsika ao amin'ny Faritr'i Vakinakaratra. Fianakaviana vondron'olona ifotony 300 mahery ao Ampotaka no misitraka fidiram-bola vaovao amin'ny fametrahana ny valan-javaboahary amin'ny velaran-tany 100 Ha mahery...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)
Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 26, 1. 4. 7-8a
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
ny honina an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 4, 13-16)
Ry hava-malala,
mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy,
mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana
amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy,
fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana,
dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany,
dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy,
fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza,
noho izany anarana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo,
fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)
Tamin’izany andro izany:
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:
“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy,
satria Anao izy ireo
(fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho;
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy mankasitraka ny hisian'ny tetezamita eto amin'ny firenena indray ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Fanapotehana ny firenena izany araka ny nambarany... ♦ Mila mametraka safidy pôlitika mazava amin'ny fampandrosoana ny harena an-kibon'ny tany mba ahafahana mitrandraka araka ny tokony ho izy ny harenantsika ny mpitondra hoy ny mpahay toe-karena sady mpampianatra mpikaroka eny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo Rakoto David... ♦ Hitsidika ny Diôsezin'i Farafangana amin'ny herinandro ho avy izao ny Nonce Apostolique eto Madagasikara, Mgr Thomasz Gryse. Mipetrapetraka ny fandaminana samihafa handraisana azy...
♦ Feno 51 taona androany ny hetsi-bahoaka namoizana ain'olona am-polony tamin'ny 13 mey 1972. Hametraka fehezam-bonikazo eny amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely anio ny fikambanan'ireo mpitari-tolona tamin'izany... ♦ Lany nasiam-panitsiana teny amin'ny antenimieram-pirenena omaly hariva ilay volavolan-dalana manova ny fahezan-dalàna mihefy ny harena an-kibon'ny tany. Solombavambahoaka 35 no nandany ity volavolan-dalàna ity... ♦ Tsy mankasitraka ny hametrahana ny pylone ho an'ny teleferika manakaiky ny sekoly sy ny handalovan'izany eo ambon'ny sekoly ny mpitantana sy ny mpandraharaha ary ny raiamandrenin'ny mpianatra ao amin'ny sekolintsika eny Analamahitsy ao Antananarivo renivohitra...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco