♦ Tontosaina eto Madagasikara, mandritra ny roa andro, ny fivorian'ny Filankevitry ny Governora, avy amin'ny firenena 24 mpikambana ao amin'ny fandintseranana, Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo... ♦ Efa eo am-pijerena ireo fiaraha-miasa vaovao amin'i Madagasikara indray, ny Vondrona Eorôpeana ankehitriny. Nampahafantarina androany ireo tetik'asa an-jatony, izay hataony eto amintsika... ♦ Ho avy tsy ho ela eny Talata-Volonondry ny fitaovana vaventin'ny orinasa ejipsiana, hanaovana ny làlana migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina...
♦ Manatevi-pahalalana momba ny aretina mahazo ny biby sy ny aretin'ny biby mifindra amin'ny olombelona ny dokotera mpitsabo biby sy ny tompon'andraikitra misahana ny fahasalaman'ny biby avy amin'ny Faritra samihafa. Atrik'asa nanomboka androany, haharitra telo andro... ♦ Holaniana anatin'ny fivoriana itambarambe eny amin'ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny zoma izao raha tsy misy ny fiovana ilay volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Tsy miheritreritra ny hisian'ny tetezamita ny ankamaroan'ny firaisamonim-pirenena. Aleo hajaina izay voalazan'ny lalam-panorenana hoy ny Safidy. Tsy maintsy hisy koa ny fifidianana hoy ny KMFCnoe...
♦ Mitohy hatramin'ny faran'ny volana mey izao ny fanoratan'ny olom-pirenena ny anarany anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miantso an'ireo izay mbola tsy nahavita izany ny CENI mba hanatona ny eny anivon'ny Fokontany misy azy... ♦ Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena hoy ny KMFCnoe. Miantso ny mpiasam-panjakàna tsy hiandany amin'ny kandidà mirotsaka amin'ny fifidianana izy ireo... ♦ Naneho ny ahiahiny manoloana ny toe-java-misy ankehitriny amin'ny mety ho sakana amin'ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao gazety nifanakalo traik'efa tamin'ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Safidy...
♦ Mitaky ampamoaka amin'ireo tsy nahatana ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... ♦ Mbola mampiato ny asany ireo "Vacataires" eny amin'ny Polytechnique Vontovorona miisa 150, izay misahana ny 64%-n'ny asa fampianarana... ♦ Andrasana rahampitso, eny Tsimbazaza, ny fankatoavana ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany...
♦ Isan'ny firenena afaka misitraka ilay Tahiry FFRD avy amin'ny FMI i Madagasikara. Tahiry ahafahana miatrika ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny hampaharitra izany fahafahana miatrika izany... ♦ Ny fitantanana, ny filaminana, ary ny fitoniana na ilay Tetik'asa GPS, ireo no dinihin'ireo fiaraha-monim-pirenena, avy amin'ny firenena miisa 04 ao amin'ny COI, anatin'ny atrik'asa mikasika ny "Fisorohana ny Krizy" izay tanterahina eto Madagasikara nanomboka omaly, ary aharitra 04 andro... ♦ Hiverina hiasa ny zotra an-dalamby TCE mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina, manomboka amin'ny voalohan'ny volana jona izao, araka ny vaovao navoakan'ny ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro...
♦ Tsy marina ny filazana fa manaiky hiroso amin'ny tetezamita ny fitondrana ankehitriny hoy ny mpitondra tenin'ny governementa. Ny fanomanana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ity taona ity izao no imasoana... ♦ Ny valin'ny fitliana ihany no hafantarana raha misy mpivarotra hena misy "formole" izany tokoa eny an-tsena na tsia. Hiaran'ny lalàna izay tratra manao izany, ary torak'izany koa izay minia manely tsaho manakorontana saim-bahoaka, raha tsy marina izany... ♦ Miteraka tsy fahandriampahalemana sy fidangan'ny vidim-piainana ny tsy fisian'ny lalam-by FCE, mampitohy an'i Manakara sy Fianarantsoa...
♦ Mitsipaka ny fanemorana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika sy ny firosoana amin'ny fitondrana tetezamita, ny Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny Mihava Tour. Tsy tokony ho sakana hanemorana ny fifidianana, hoy izy ireo, ny tsy fahalavorarian'ny fanomanana... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka ny asam-baomiera handinihana ny fanitsiana ny lalàna mifeny ny fampiasam-bola eto Madagasikara, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza... ♦ Omena ny mpilalao ny 60% amin'ilay vola valin-kasasarana nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, natao tany Algérie farany teo...
♦ Mizarazara tanteraka ny hevitry ny mpanao pôlitika amin'ny mety hahatanterahan'ny fifidianana amin'ity taona ity. Toy izany koa ny mety hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana... ♦ Olona efatra no efa nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora manoloana ilay fitsaram-bahoaka nitranga teny Amparibe ka nahafatesana raim-pianakaviana iray. Andrasana amin'ny 22 mey izao ny fotoam-pitsarana... ♦ Nahatsiaro ny faha-110 taonan'i Régis Rajemisa Raolison, ny Havàtsa-Upem... ♦ Misy akony amin'ny daty androany izay hanamarihan'i Rosia ny nandresen'ny rosiana ny Nazia Alemana tamin'ny ady lehibe faharoa ny fifanandrinana aminy sy Ukraine ankehitriny...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)
Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:
“Tompoko,
amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”
Fa hoy ny navaliny azy ireo:
“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.
Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:
“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany,
fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo
ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt.28, 16-20)
Tamin’izany andro izany,
ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva
ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 5-8. 14-17)
Tamin’izany andro izany,
i Filipo Diakra, dia nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!
Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema
fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,
dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.
Nony tonga tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona
mba handraisany ny Fanahy Masina;
satria vita Batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo izy ireo,
fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.
Dia nametrahany tanana izy ireo,
ka nandray ny Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20
Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo;
antsao ny Anarany be voninahitra.
Ataovy mafy ny antso fideràna Azy:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.
Miankohoka aminao ny tany tontolo
sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra,
mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona.
Ny ranomasina novàny ho tanety,
nandehanana tongotra ny ony.
Koa aoka isika hifaly aminy.
Ny heriny manapaka mandrakizay.
Tongava ianareo matahotra ny Tompo,
hitantaràko izay nataony tamiko.
Hisaorana anie Andriamanitra:
Ny fitiavany tsy nalàny tamiko.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 15-18)
Ry hava-malala,
i Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo.
Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana,
an’izay rehetra manontany anareo
ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo,
mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra
no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara
ataonareo ao amin’i Kristy.
Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana,
raha izany no sitrapon’Andriamanitra,
toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.
Na i Kristy koa aza,
niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika,
dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra,
ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo,
dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray,
ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo,
mba hitoetra eo aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ny fahamarinana,
izay tsy azon’izao tontolo izao raisina,
satria tsy hitany, ka tsy fantany,
fa ianareo no hahafantatra Azy,
satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelako ho kamboty ianareo,
fa hankaty aminareo Aho.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao;
fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho,
ary ho velona koa ianareo.
Amin’izany andro izany,
dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko,
ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa,
ka haneho ny Tenako aminy Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manatanteraka fihatahana masina any amin'ny nosy Maorisy, ireo Evekan'i Madagasikara taorian'ny fivoriana nataony teto Antananarivo... ♦ Hiroso amin'ny fampiatoana ny fampianarana anio ireo mpampianatra an-tselika eny amin'ny Polytechnique. Nitondra fanazavana an-taratasy momba ny fitakian'izy ireo etsy ankilany ny ministera mpiahy... ♦ Mbola misy koa ireo andininy tsy mampitovy hevitra ireo solombavambahoaka sy ny ministera tompon'andraikitra momba ny lalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Hihaona any Bruxelles amin'ny alahady izao ireo mpitondra any Arménie sy Azerbaïdjan...
♦ Misy ihany ny fanambakana sy ny fambotriana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ao anatin'ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany, hoy ny Solombavambahoaka androany, nandritra ny fandinihana voalohany ity volavolan-dalàna ity... ♦ Nidinika momba ny fanohanana bebe kokoa an'i Madagasikara androany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nandray ny iraky ny FMI, teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo... ♦ Misy ireo minia mamotika ny orinasa Jirama, hoy ny antoko Otrikafo androany, Ny fampiasana ny menaka mavesatra avy any Tsimiroro hatrany no vahaolana aroson'ny antoko...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco